‘Tsy Averina Intsony Mandrakizay': Tamberin'ny Shiliana Momba Ny Fanonganam-Panjakana, 40 Taona Izay

Fidarohana Baomba ny La Moneda tamin'ny 11 Septambra 1973. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons eo ambany fahazoan-dalana Creative Commons license CC BY 3.0 CL
Efapolo taona androany [11 septambra] ny nanonganana ara-panjakana ny filoha sosialista Shiliana Salvador Allende sy fanombohan'ny fotoana lava dia lava maharitra 17 taonan'ny fitondrana jadona miaramila notarihan'i Augusto Pinochet.
40 taona taorian'ny fanonganam-panjakana sy 23 taona taorian'ny fiverenan'ny firenena ho amin'ny demokrasia, dia naka saina momba ny fanonganam-panjakana sy izay tsy maintsy ataon'ny firenena hahatrarana ny fampihavanana ny Shiliana.
Ny Bilaogera Camila nanadihady ny tatitra an-gazetin'ny tsingerintaonan'ny 11 Septambra tamin'ny 2013 sy ny “firosoan-dia” amin'ny maha-fiarahamonina:
¿Como vamos a olvidar y dar vuelta la página, si cada año los medios de comunicación nos bombardean con información negativa? Acepto que hay que avanzar, acepto que la violencia de nada sirve, acepto que lo sucedido fue culpa de ambos sectores políticos por diferentes factores conjugados, pero NO acepto los comentarios irrespetuosos y sin análisis del corte de “Olviden el tema y punto”. Hay muchos factores en juego. Un poco de respeto por las víctimas de el genocidio que vivimos hace años atrás. Podremos recién avanzar y olvidar cuando seamos una sociedad unida de verdad que busque develar la verdad y prestar un hombro a aquellos que hoy sufren por el vacío que ha dejado la partida de uno de sus seres queridos, pero mientras sigamos estando en esos polos de “Sin perdón ni olvido” y “Olviden luego” sin prestarnos ayuda seguiremos siendo unasociedad dividida y estancada.
Ahoana moa no hanadinoantsika sy hamadihana ny pejy, raha mandrotsaka vaovao matroka ho antsika isan-taona ny fampitam-baovao? Manaiky aho hoe tsy maintsy miroso isika, manaiky aho fa tsy ilaina ny herisetra, manaiky aho fa fahadisoan'ny antoko roa tonta noho ny antony samihafa izay nitranga, saingy TSY ekeko ny fanehoa-kevitra tsy misy fanajana sy tsy misy fanadihadiana, ny toy ny hoe “Adinoy iny fotoana iny”. Maro ny zavatra mifamahofaho ao. Fanajana kely ho an'ireo lasibatry ny fandripahana izay niainantsika taona maro lasa izay. Handroso ihany isika ary hanadino rehefa tena fiaraha-monina mivondrona mitady hamoaka ny marina irery ihany sy miray soroka amin'ireo nangirifirin'ny fahabangana noho ny fahalasanan'ireo olona tiany, fa raha mbola mifandrirotra lavitra amin'ny “sady tsy hamela no tsy hanadino” sady “manadino sahady” tsy nisy fifanampiana dia mbola hitoetra ho fiaraha-monina misaratsaraka sy tsy mihetsika.
Manaiky i Camila G Arriagada ao amin'ny Twitter fa tokony hiasa ao anatin'ny fampiraisana ny firenena:
#11deseptiembre concuerdo con la frase “ni perdon ni olvido”, pero si creo q despues de 40 años debemos trabajar en la unidad del país #eso
— Camila G – Arriagada (@cami_3189) September 11, 2013
Manaiky amin'ilay fehezanteny hoe “sady tsy mamela no tsy manadino” aho, saingy tsy maintsy mieritreritra aho fa tsy maintsy mbola miasa ao anatin'ny fampiraisana ny firenena isika 40 taona aty aoriana
Saingy nanoratra i Teresa Quirino fa tsy maintsy ny fitsarana no mialoha ny fampihavanana:
Jamás habrá reconciliación si no hay justicia! ya han pasado #40años y aun hay personas que no pagan por sus delitos del #11deseptiembre
— Teresa Quirino (@TeresaQuirinoM) September 11, 2013
Tsy hisy fampihavanana mandrakizay raha tsy misy ny rariny [fitsarana] ! efa 40 taona lasa sahady izay ary mbola misy ny olona tsy nanefa ny heloka vitany tamin'ny 11 Septambra
Mandritra izany fotoana izany dia nisioka i PelaoAndrew fa tokony ampidirina hosainina ihany koa izay nitranga nialoha ny fanonganam-panjakana:
Para hablar de historia no basta saber solo lo que paso hace #40años ..hay que ver lo que paso un poco mas atrás #11deseptiembre
— PelaoAndrew (@PelaoAndrew) September 11, 2013
Tsy ampy ny miresaka momba ny tantara hahafantarana fotsiny izay nitranga 40 taona lasa izay…tokony hofantarinao ihany koa izay nitranga nialoha kely izany
Mizara fomba fijery hafa kosa ny mpanohana an'i Augusto Pinochet sasany tahaka an'i Felipe Abalos:
Hoy hace #40años triunfo la libertad x sobre el odio y la lucha de clases.. Solo decir #GraciasPresidentePinochet #11deseptiembre
— Felipe Abalos (@abalosfelipe) September 11, 2013
40 taona androany ny fandresen'ny fahafahana manoloana ny fankahalana sy ny adin-tsaranga. Te-hiteny fotsiny aho hoe misaotra anao Filoha Pinochet.
Miantso ny namana Shiliana, tahaka ny maro hafa ny mpisera @May_Grondona mba ho antoka fa tsy hitranga intsony ny zava-mitranga tahaka ny fanonganam-panjakana tamin'ny 11 Septambra 1973:
A #40años estamos llamados a entregar a las generaciones futuras, no el rencor, si las memorias, para q algo tan horrendo no pase otra vez.
— La Principessa (@May_Grondona) September 11, 2013
40 taona aty aoriana isika miantso hanome fanatsiarovana fa tsy lolompo ho an'ny taranaka ho avy, mba tsy hitranga intsony ny tahaka izany.
Ao amin'ny El Mundo Sigue Ahí (Mbola eo izao tontolo izao) ny bilaogera Roberto Arancibia [es] namoaka ny eritreriny momba ny fanonganam-panjakana, izay niainany fony izy mpianatra 17 taona, ary amin'izao tsingerintaona faha-40 taona izao no nanoratany hoe:
Los medios nos inundan de resúmenes y programas especiales, los protagonistas de la historia entregan sus declaraciones, reconocimientos y verdades a medias. Algunos piden perdón. Algunos lo celebran, otros lo lamentan. Otros sólo “conmemoran”. Y los que quedamos, los que vivimos todo esto, de este lado y del otro, somos los testigos de un período difícil, somos un par de generaciones marcadas por la fecha, por la figura del General y todo su entorno. Generación X. Con 13 años de toque de queda metidos en el cuerpo, en la adolescencia, en la adultez. Y entremedio gente que desaparecía, profesores, amigos o parientes.
Mameno ny Media famintinana sy fandaharana manokana, samy mamoaka ny fanambarany, ny zavatra fantany ary ny marina tapany fantany ireo mpifanandrina ao amin'ny tantara. Ny sasany mangataka famelana. Ny sasany mankalaza, ny hafa misaona. Ny hafa zara raha “mahatsiaro”. Ary misy amintsika nilazaona, misy ny niaina nanavatsava izany manontolo, na avy amin'ny andaniny na avy amin'ny ankilany, vavolombelon'ny fotoana sarotra, taranaka indray miaina roa mifandimby isika no voamariky ny daty iray, voamariky ny sarin'ny Jeneraly sy ny zavatra rehetra manodidina azy. Taranaka X. Niaina 13 taona izany tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina amin'ny vatantsika, nandritra ny fiainana nahazatovo, nandritra ny fiainana nahalehibe. Ary mandritra izany fotoana izany, manjavona ny olona, profesora, namana na fianakaviana
Namara-teny i Arancibia:
Pero somos sobrevivientes, lo que no es poco. Y nadie, de verdad, nadie salió ileso.
Dejar los rencores, enseñar a respetar, tratar de entender el dolor y dar un abrazo a quien lo necesite. Sobre todo dejar de negarlo. No permitir que suceda de nuevo.
¿Será ese el camino? ¿Quién necesita venganzas? ¿Podremos superarlo?
Sobre todo, nunca más.
Saingy isika no sisa velona, ary tsy zavatra bitika izany. Ary tsy misy, tsorina, tsy nisy ny afa-bela.
Ilaozana ny lolompo, ampianarina ny fanajana, ezahina ny mahatakatra ny hirifiry ary omena tanana ireo izay mila izany. Ambonin'izany rehetra izany, atsahatra ny fandavana izany. Tsy avela hitranga intsony mandrakizay izany.
Izany ve no lalana? Iza no mila valifaty? Afaka mandresy izany ve isika? Ambonin'izany rehetra izany, aoka izay mandrakizay.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...