
Abdulmonem Mahmood – mpanao gazety nandositra an'i Ejypta. Sary: @moneimpress
Nandao an'i Ejypta ilay Ejypsiana bilaogera sady mpanao gazety Abdulmonem Mahmood, nilaza izy fa matahotra ny amin'ny ainy.
Araka ny filazan'ny Komity mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ), mpanao gazety ao an-toerana sy vahiny 40 farafahakeliny no voasambotra na nogadraina nanomboka tamin'ny fihonganan'ny filoha teo aloha, Mohamed Morsi tamin'ny 3 Jolay. Ary mpanao gazety valo farafahakeliny no namoy ny ainy nanomboka tamin'ny fihonganan'ny filoha teo aloha, Hosni Mubarak tamin'ny taona 2011. Miampanga an'i Ejypta ho mitarika “hetsika fanaovana herisetra amin'ireo mpanao gazety ao an-toerana sy vahiny mikasa hamoaka vaovao momba ny krizy politika ankehitriny ao amin'ny firenena”.
“Through a series of arrests, prosecutions, assaults and censorship, the Egyptian government has made one thing crystal clear to journalists: Deviate from the official narrative at your own risk,” said CPJ Deputy Director Robert Mahoney. “The authorities must stop this attempt at quashing independent and critical reporting. They can start by freeing all journalists in prison or under arrest.”
Tamin'ny alalan'ireo andianà fisamborana, fanenjehana, fanafihana ary sivana, nanao zavatra mangarahara ho an'ireo mpanao gazety ny governemanta ejypsiana: tompon'andraikitra amin'izay mahazo anao ianao raha miala amin'ny fitantarana ofisialy», hoy ny fanambaran'ny tale lefitry ny CPJ, Robert Mahoney.« Tokony hampitsahatra izao fikasana hanafoana ny fitateram-baovao mahaleotena sy tsikera izao ny manampahefana. Afaka hatombok'izy ireo amin'ny famotsorana ireo mpanao gazety any am-ponja sy ireo izay an-dalana hosamborina izany “.
Tao amin'ny Twitter, Mahmood nanoratra hoe [ar]:
غادرت مصر من فترة والآن لحقت بي أسرتي ..نعم هربت خشية أنا أقتل غدرا ويحرق جثماني أو اقتل ف سيارة الترحيلات ثم يقول ع زملاء نضال أني إرهابي
— monem منعم (@moneimpress) September 12, 2013
Nandao an'i Ejypta aho fotoana maro lasa izay ary ankehitriny, tonga aty amiko ny fianakaviako. Eny, nandositra aho satria natahotra ny amin'ny aiko, satria mety nisy namono ampitaka aho, na mety may ny tenako na mety nisy namono ao anaty fiara hitondra ahy [aorian'ny fisamborana ahy], ary avy eo mety ho antsoin'ireo mpiara miasa amiko ho mpampihorohoro aho
Hoy izy nanampy:
اعمل أنا وزوجتي صحفيين تعرضنا بعد #الانقلاب لتهديدات لم نشهد مثلها في عهد مبارك .. للعلم أنا دخلت السجن ٣ مرات ف عهد مبارك 🙁
— monem منعم (@moneimpress) September 12, 2013
Mpanao gazety no asako sy ny vadiko. Taorian'ny fanonganam-panjakana, niharan'ny fandrahonana tsy mbola niainanay nandritra ny vanim-potoana Mubarak izahay. Tsara ho fantatrao, nogadraina in-telo aho nandritra ny fitondran'i Mubarak.
Mahmood namehy hoe:
الصحافة الان في مصر ليست متاحة سوي لمندوبي الشئون المعنوية ورؤساء تحرير تابعي المخابرات .. مهنة الصحافة أصبحت من أخطر المهن بعد الانقلاب
— monem منعم (@moneimpress) September 12, 2013
Ankehitriny, ny asa fanaovan-gazety ao Ejypta dia natokana ho an'ireo solotenan-gazety [an'ny tafika] sy ireo lehiben'ny tonian-dahatsoratra ihany, izay [ao ampaosin'ny] sampa-pitsikilovana. Nanjary anisan'ireo asa mampidi-doza indrindra ny asa fanaovan-gazety taorian'ny fanonganam-panjakana.
Tsy milaza izay misy azy sy izay ataony ankehitriny izy.
Ity fitantarana tato amin'ny Global Voices tamin'ny taona 2007 tamin'ny fotoana nisamborana an'i Mahmood voalohany.