Rehefa Tafara-Dia ny Mpanao Asa Soa Sy Ny Tele Realite

RAI 1, fantso-pahitalavitra mpitari-dalana sy televizionam-panjakana be mpijery indrindra any italia, namokatra tetikasa fanaovan-tsoa amin'ny alalan'ny seho antsehatra [tele realite]. Ny vokatra voalohany dia heverina hivoaka ny 4 desambra 2013 ho avy izao.

“The Mission”, dia aseho ho karazana zavaniainana ara-tsosialy izay hampandraisana anjara olomalaza valo ao anatin'ny roa herinandro hiasa ho an'ny ONG Italiana Intersos any amin'ireo mpitsoa-ponenana any Sodàna Atsimo, ao Repoblika demokratikan'i [Congo] ary ao Mali. Ireo rehetra ireo dia mbany fanarahamason'ny Komisarià Ambonin'ny Firenena Mikambana Misahana ny Mpitsoa-ponenana.

Manazava ao amin'ny blaogy African Voices i Carlo Catteneo ao amin'ny lahatsoratra hoe [ “Mission” by RAI 1. A time bomb?]:

The goal of RAI would be to propose, through this social experiment, as a means of advertising the cause of the most excluded and the engagement of humanitarian workers in order to create greater awareness in the audience. From the rumors collected production will not be focused on the suffering and desperation of refugees but rather on the positive and concrete commitment of humanitarian workers on the stories of refugees and the reasons for fleeing from their native countries. Each episode of The Mission will be introduced by an accurate explanation of the social, historical, political and cultural development of each country visited in order to offer the public with adequate information and to avoid the spectacularization of refugees. Laura Lucci, head of UNHCR Italy ensures that they are focusing on a program of information. The presence of UNHCR will ensure that they are only collected the stories of refugees volunteers standing up supervisor of the right of privacy and personal freedom of each individual. The increase of awareness and private story telling by refugees will help, according intentions of the promoters, to make public opinion more open and sensible on issues such as illegal immigration and the reasons that lead to the desperate search of a better life through the Mediterranean.

Ny tanjon'ny RAI dia ny hanolotra, avy amin'ny alalan'ity zava-niainana ara-piarahamonina ity, karazana dokam-barotra ho an'ireo izay voailikilika sy ny fanolora-tenan'ny mpiasa sosialy [mamonjy ny mahaolona] mba hanairana kokoa ny mpijery. Raha ny tsilian-tsofina heno dia tsy mifantoka betsaka loatra amin'ny fijaliana sy ny fahakivian’ ny mpitsoa-ponenana ny fandaharana fa miròna kokoa amin'ny finiavana tsaran'ireo mpiasa sosialy ao amin'ny tantaran'ny mpitsoa-ponenana izay no antony mahatonga azy ireo hitsoaka ny firenena niaviany. Isaky ny fandaharana [The Mission] dia hisy hatrany ny teny fampidirana amin'ny fivoarana ara-tsosialy, tantara, politika ary kolontsaina misy amin'ireo firenena tsidihina mba ahazoana manome ny mpijery ny toe-javatra marina isorohana amin'ny fanaovana ho fampisehoana mampitolagaga ny mpitsoa-ponenana. Laura Lucci, filohan'ny NHCR Italia milaza fa miompana amin'ny filazam-baovao no ataony. Ny fijoroan'ny UNHCR ao dia miantoka fa ny tantaran'ny  mpitsoa-ponenana manaiky horaisina an-tsary ihany no avoaka ary hohajaina ny fahafahan'ny tsirairay. Milaza ny mpikarakara ny fandaharana fa ny fahamaroan'ny fanairana sy ny fitantaran'ny mpitsoa-ponenana ny fiainany manokana no hampisokatra bebe kokoa ny mpijery manoloana ny lohahevitra mora mahatafintohina momba ny fifindra-monina tsy ara-dalàna sy ny antony mahatonga azy ireo hitady iainana tsara kokoa any ampitan'i mediteranea.

Cattaneo namoaka ihany koa ny dika mitovy ny fahazon-dalana ofisialy ny fanaovana ny fandaharana any RDC:

ministry-of-culture_authorization-for-filming_09-07-20132

 

Italianina maro – na mpanao sosialy [vonjy aina] na tsia – no efa manomboka mitsikera sahady ny fandaharana volana maro mialoha ny handehanany. Misy ady hevitra be eto aterineto. Misy ny fanangona-tsonia an-tserasera [it] manontany raha tokony tsy ho avoaka io fandaharana io efa nahangona sonia mihoatra ny 91000. Mitovy hevitra izy ireo fa milalao ny ain'ny mpitsoa-ponenana ilay fandaharana, ary manambany ny fiatraikan'ny fifandirana.

Ny tranonkala Afriqinfos [fr] mandesy lahatra fa nihoa-pefy indray tamin'ny fandehanana any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao afrika[fr] ny tontolon'ny seho antsehatra amin'ny fahitalavitra [tele realite]:

Change.org et Activism.org ont lancé chacun une pétition visant à annuler la mise en place de The Mission : « ça vous dirait de voir votre mère, qui a survécu à des violences inimaginables, être tournée en ridicule comme comparse d’un reality show ? » argumente la première organisation.

Change.org sy Activism.org dia samy nanao fanangona-tsonia mba hanafoanana ny fandaharana The Mission :”Ahoana no tianareo ijerena ny reninareo, izay niaritra fangirifiriana tsy hita nonoa, ho lasa fampihomehezana ao amin'ny tele realite?” hoy ny voalohany amin'ireo fikambanana ireo.

Ankoatra ny tsikera maro, indrindra fa ny karaman'ny olo-malaza hanao ny seho [it], fanehoan-kevitra hafa manohitra ihany koa ny seho ny filazana fa ireo olo-malaza notsongaina dia avy amin'ny kilasy ambany, B-listers [it] na ireo te-hiverina an-tsehatra.

Araka ny nosoratan'i zaccunu09 ao amin'ny lahatsoratra Sfiga Africa: ci mancava Albano [it] (Afrika Mahantra: Albano no lohany amin'izy rehetra) avy ao amin'ny gazety-boky l'Espresso [naotin'ny tonia: Albano dia mpihira italianina nalaza tamin'ny taona 1970 sy 1980]:

Che bella idea questa di Leone,figlio dell'ex Presidente della Repubblica,ed è superfluo dire perché oggi si trova a quel posto !, forte di un'autorità che non sappiamo bene da dove venga ,ha organizzato questa ridicola messinscena con personaggi che hanno un seguito da ridere se non fosse per la Rai che continua a farli apparire sulla scena televisiva,il più delle volte a sproposito. Albano, ci basta la presunzione e l'atteggiamento malandrino;il rampollo ruspante di casa Savoia,che non si sa a che titolo calca la scena Rai e con quali meriti se non una eredità che più scalcinata ed inquietante non poteva essere; Barale, ma esiste veramente? ,Cocuzza per più cocuzza non poteva essere,forse ho dimenticato qualcuno ma sicuramente sarà all'altezza degli altri. VIVA LA RAI ………

Zany ka hevitra mahafinaritra avy amin'i Leone – Zanakalahin'ny Filohan'ny Repoblika teo aloha [Giovanni Leone] – ary tsy ilaintsika ny manontany hoe ahoana no nahazoany io asany ankehitriny io [talen'ny RAI 1][it]! Noho ny fananany fahefana tsy fanta-piaviana, efa nanomanany vazivazy ireo olona ambony hafa izay mety ho efa tsy fanta-bahoaka intsony raha tsy niezaka ny hampiseho azy ireny matetika amin'ny fotoana tsy mifanaraka amin'izany ny RAI. Tena leo an'i Al Bano sy ny fizahozahonany ary ny hadalany isika, ary momba ny taranaka mivantana avy ao amin'ny Fiankohonam-panjakan'i Savoà, tsy fantatsika hoe tamin'ny fomba ahoana sy maninona izy no miseho ao amin'ny RAI raha tsy teo ny resaka fandovàna nankaleobe sy nahatsiravina. Barale, nisy tokoa ve ? Cocuzza [Ny anarana olo-malaza ao amin'i RAI izay midika hoe tsy misaina], tsy hahita olona tsy misaina tahaka azy , mety ho misy olona adinoko [it], saingy tsy isalasalana fa hitovy amin'ny rehetra ihany ry zareo. HO ELA VELONA ANIE RAI……

Tao amin'ny Articolotre.com i Albano nivantana tamin'ireo nanao tsikera ireo:

Io difendo questo programma, e non capisco davvero cosa ci vediate di male: ce l'avete con me? Non capisco perché si parli di reality quando si tratta di realtà. Non sarebbe stato uno spettacolo, ma un'indagine, un'occasione per accendere i riflettori sulla gente che soffre. A me piaceva proprio l'idea di andare in un luogo in cui le persone sono abbandonate. Io voglio accendere qual faro, far vedere cosa succede. Continuano a morire dappertutto, ma se non proviamo ad accendere le luci che succederà?

Manohana ny fandaharana aho, ary tsy fantatro marina no ahitanareo ny lafiny ratsy: Manana olana amiko angaha ianareo? Tsy azoko hoe maninona no resahana foana ny [tele realite = zavamisy] raha milaza ny zavamisy marina. Tsy ho fampisehoana an-tsehatra io, fa fanadihadiana, fotoana araraotina mba hijerena akaiky ny olana mahazo ny olona mijaly. Ho ahy manokana, Tiako ny hevitra handehanana any amin'ny olona navela irery. Tiako hotarafin'ny mazava ny olana, hijerena ny zava-mitranga. Mitohy ny fahafatesan'ny olona any ho any, fa rehefa tsy asongadinareo ny olana dia inona no hitranga?

Nandritra ny fanentanana ny Stop Kony 2012 dia tsy narisika ny ankamaroan'ny fanehon-kevitra afrikanina, fa tamin'ity fotoana ity kosa somary niova kely izany fomba fijery izany, indrindra moa tao amin'ny Facebook [fr]:

Aragone Diger : Sortir les réfugiés de l'ombre, c'est aussi montrer les tares de la guerre et ainsi conscientiser les populations de pays impliqués dans les guerres surtout en Afrique.

Aragone Diger: Ny famoahana ao amin'ny takona ny mpitsoa-ponenena dia mampiseho ihany koa ny fandravan'ny ady ary mahatonga saina ny olona ny firenena tafiditra amin'ny ady indrindra ny ao Afrika.

Renaud-Désiré Essoh Lath: Moi j'aime ça montre que dans la vie y'a pas que Kardashians et y'a des problèmes plus sérieux !!

Renaud-Désiré Essoh Lath: Ho ahy manokana, Tiako ilay seho satria maneho fa misy ny fiainana ankoatra ny Kardashians iry misy ny olana hafa henjana kokoa!!

Taorian'ny tsaho miely mety hanafoanana ilay seho, dia nanambara fitsiphana izany tamin'ny fomba ofisialy ny RAI. Noho ny adihevitra dia efa nahazo dokambarotra tsy taka-bola sahady ny “The Mission”.

Abdoulaye Bah sy Antonella Sinopoli nandray anjara tamin'ny lahatsoratra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.