Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Desambra, 2023
Voarohirohy tamina resaka kolikoly ny Lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana ny Filoham-pirenen'i Azerbaijana
Misy tantara mampiahiahy ilay Hotely InterContinental ao Baku. Rehefa natao lavanty ny tany manodidina an'ilay hotely dia niniana nafenina tsotra izao ny antsipirihany momba ny adiresy sy ny haben'ilay tany.
Raha manomboka ny Tahirimbola ho an'ny Fatiantoka sy Fanonerana ny COP28 dia nasongadin'ny orambe mivatravatra kosa ny fitomboan'ny faharefoan'ireo Nosy Karaiba manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro.
Mitovy tahaka ny any amin'ny faritra hafa any Karaiba ny toe-javatra any Jamaika, izay atahorana ny tsy fanjariana ara-tsakafo noho ny "loza voajanahary" miverimberina ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro vokatry ny ataon'ny olombelona.
Ahoana ny fiantraikan'i Karaiba amin'ny asa an-tokantrano sy ny “parlemantera iraisam-pirenena misahana ny asa”
"Nitranga tao anatin'ny korontana tamin'ny faramparan'ny taona 1960 ireo tolona niainga avy ao an-toerana ireo, notovanan'ny hetsi-panoherana ho an'ny zo sivily, ny fandravana ny fanjanahana an'i Afrika sy ireo fihetsehampo midadasika kokoa manohitra ny fanjanahantany midadasika kokoa ny fanjanahantany tany amin'ny "Tontolo Fahatelo".
‘Nigadona ny voromahery’ ka mientanentana ireo mpiseran'ny media sosialy ao Trinite sy Tobago
Nielipatrana ny lazan’ity fehezanteny ity nandritra ny iray tamin'ireo tranga manan-tantara indrindra tamin'ny taonjato faha-20. Teny iray ampiasain'ny Trinbagoniana ihany koa izy io mba hilazany fa tonga ny karaman’izy ireo.
Ao anaty fitotonganan-toe-karena, antsoina hoe ‘relika’-n'ny foibe ara-bola iraisampirenena i Hong Kong
Nitontongana ara-toekarena fatratra i Hong Kong tao anatin'ny telo taona farany, mifandray amin'ny fanombohan'ny valan'aretina COVID-19 sy ny fandaniana ny Lalàm-pilaminam-pirenena napetrak'i Beijing.
Dingana voalohany mankany amin'ny fifehezana ny tambajotra sosialy bebe kokoa ny fandraràna ny TikTok ao Nepal izay ataon'ny governemanta
Tamin'ny 13 Novambra 2023, nametraka fandrarana feno ny sehatry ny tambajotra sosialy Shinoa TikTok ny governemanta Nepali noho ny filazan’izy ireo fa miteraka korontana ara-piarahamonina eo amin'ny Nepaley ity sehatra ity.