Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Avrily, 2012
Iran: Mpamafa Làlana Nahita 500.000 Dolara Amerikana Ka Namerina Izany Tamin'ny Tompony
Mpamafa làlana iray antsoina hoe Ahmad Rabani avy ao Bojnourd, 700km miala an’i Tehran, no nahita 1 lavitrisa Toman (eo amin’ny 570.000 dollars Amerikana eo) ary namerina izany tamin’ny tompony. Ho fisaorana azy, dia nomena 200.000 Toman (120 dollars Amerikana) izy ho valisoa.
Arzantina: Naneho Hevitra Momba Ny Fanomezana ny Orinasa YPF Ho Tantanin'ny Fanjakana Ny Mpamahana Bolongana
Niteraka sahoan-dresaka teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Arzantina ny fanambarana fa omena ho tantanin'ny fanjakana ny orinasa mpamokatra solika YPF, izay fehezin'ny Repsol Espainola, sy ny famindrana ny 51%n'ny renivola ho an'ny govermanta Arzantina....
Miezaka Ny Hiditra Indray Ao Shina Ve Ny Facebook?
Niverina avy any Shina ny Tale Jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg. Maro ireo mpanao gazety tany an-toerana sy ireo mpiondana aterineto no nahatsikaritra azy sy ny sipany, Priscilla Chan, tao Shanghai tamin'ny Talata lasa teo, 27 Martsa, ary indray mandeha indray, niparitaka toy ny afo ny honohono tany anaty aterineto: Mikarakara ny hiverenany indray ao Shina ve ilay mpanjakan'ny tambajotra sosialy?