· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jona, 2018

Kioba: Tsingerintaona Faha-55 Taonan'ny 26 Jolay 1953

Tao Kiobà tamin'ny taona 1953, teo amperin'ady hanohitra ny jadona nataon'i Fulgencio Batista izay nahazo tohana tamin'ny fiarovan'ireo Amerikana, nitarika vondrona iray nisy an'ireo tanora revolisionera i Fidel Castro nandritra ny fanafihana ny Toby Moncada tao Santiago. Ankehitriny io hetsika io dia fantatra amin'ny maha-fiandohan'ny Revolisiona Kiobàna azy. Tamin'ny faran'ny herinandro, ny 26 jolay 2008, nankalaza ny tsingerintaona faha-55-an'io fanafihana io i Kiobà, fety notarihan'i Raul, rahalahy sady mpandimby an'i Fidel, amin'ny maha-filoha Kiobàna azy.

29 Jona 2018

Kyrgyzstan: Adihevitra noho ny famarotana ny orinasam-pirenena momba ny fifandraisan-davitra

Nanao ny fanadihadiany manokana momba ny fifanarahana, izay namarotana ny petra-bolan'ny orinasam-pirenena Kyrgyzztelecom ireo mpisera malaza ao amin'ny forum aterineto Kyrgyz "Diesel". Araka ny voalazan'izy ireo, mifamatotra amin'i Maksim, zanaka lahin'ny Filoha Kyrgyz, Kurmanbek Bakiyev' izay voatendry vao haingana tamin'ny toerana ambony ara-toekarena ao amin'ny governemanta ireo tompon'ny orinasa vaovao.

18 Jona 2018