· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Oktobra, 2018

Shina: ”Tsy Hivarotra Aho Na Dia Mamono Ahy Aza Izany”

Lasa adala amin'ny kapitalisman'ny petrabola isan-karazany i Shina—ara-bakiteny, tamin'ny trangan'ilay mpampiasa vola iray izay tsy afaka nijery ny petrabolany tanaty aterineto rehefa nidina ny lanjan'ny vola tamin'ny herinandro farany teo. Saingy matokisa ireo mpampiasa aterineto mba hahita hatsikana ihany ao anatin'izany rehetra izany.

31 Oktobra 2018

Shina: Tolo-kevitra momba ny fanavaozana ara-barotra mialohan'ny fivoriana ara-politika isan-taona

Raha toa ka nanomboka androany tao Beijing ny herinandro telo hanaovana politikan'ny mihidy varavarana, nanao ny tolony ho an'ilay fivoriana avarapianarana — izay izy no solontenany—ny Tale Jeneraly malaza be ana orinasa elektronika Shinoa iray, ary nizara izany tao amin'ny blaoginy tamin'ny fitenin'ny fitiavan-tanindrazana sy fanandratam-pirenena.

31 Oktobra 2018

Japana: Noana Ao Amin'ny Tany Tondra-dronono

Nanainga ny blaogera japoney maro hieritreritra mikasika ny fiantraikan'ny politikan'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny fireneny ny tantara vao haingana mikasika ny lehilahy iray matin'ny hanoanana [Ja] noho ny tsy nahazoany ny fanampiana ara-tsosialy, izay lasa nalaza noho ny niraketany tao anaty diary ny andro farany niainany. Vakio ato ny sasany amin'ny hevitr'izy ireo mikasika izany olana izany.

29 Oktobra 2018

Gonu no Lazan'i Koety !

(2007) Sahobakaka ambody riana ireo blaogera Koetiana, niandry ireo vaovao mikasika ilay rivodoza mandravarava Gonu, izay nahafaty olona teo amin'ny dimampolo tao amin'ny tanàna mpifanolobodirindrina amin'i Oman. Milaza amintsika ny fomba nanehoan'izy ireo ny hatezerany noho ny fanontàna iray navoakan'ny gazety teny an-toerana, izay nikendry ny handoto ny lazan'ny firenen'izy ireo i Abdullatif AlOmar, izay mamerina mijery ireo blaogy rehetra.

29 Oktobra 2018

Avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana

Tezitra tamin'ny fanafihana ny Toerana masina Askariya ireo Silamo, indrindra fa ny Shitta, manamarika ny  ireo bilaogera Jordaniana, mampitaha ny fihetsika tsy misy dikany nataon'ireo Miozolomana manoloana ny tsy fahombiazan'ny sariitatra Danoà amin'ny apartheid (fanavakavaham-bolon-koditra) ankehitriny mahazo ny moske 1200 taona ny sasany tamin'izy ireo.

26 Oktobra 2018

Koety: Very Eo Anelanelan'ny Trano Fijerena Sarimihetsika sy ny Trano Fisakafoanana

(2007) Eo anelanelan'ireo sarimihetsika voasakana sy voasivana any amin'ny trano fijerena sarimihetsika sy ny trano fisakafoanana izay mbola mila manao ezaka be amin'ny resaka tolotra, tena leo be ireo blaogera Koetiana tamin'ny herinandro farany teo. Mitondra amintsika ny fanavaozana farany avy ao amin'ny tontolon'ny blaogy Koetiana i Abdullatif AlOmar ao anatin'ity lahatsoratra ity.

21 Oktobra 2018