· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jolay, 2012

Azia Atsinanana: Firoboroboan'ny Varotra Vorona An-tsokosoko ‘Hatao Fiompy’

  30 Jolay 2012

Biby maro tandindonin-doza namidy mba hompiana anaty vàla mifefy no tany an'ala no nosamborina raha ny marina ary nalàna an-tsokosoko nivoaka ivelan'ny tontolo voajanahary niainany tamin'ny fomba feno habibiana, araka ny tatitry ny Jolay 2012 avy amin'ny Wildlife Trade Monitoring Network (TRAFFIC), tambajotra mpanara-maso ny varotra biby dia. Ho andrana hiadiana amin'ity olana ity dia mety hahafahana mamantatra mazava ireo vorona azo amidy ara-dalàna ao Taiwan ny fanomezana mari-pamantarana manokana ireo boloky nompiana nampidirina any an-toerana.

Espaina: Tsy Voasakana Ny Hetsika An-dalambe

  23 Jolay 2012

Hatramin'ny nahatongavan'ny mpihady tao Madrid, izay nitokony ho fanoherana ny fampihenana hatramin'ny 63% ny tetibolan'ny sehatr'asandry zareo, tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana nataon-dry zareo tao an-drenivohitra Espaniola. Mizara ny sary izahay.

Madagasikara : Vita Hatreo Ve Ny Air Madagascar Rehefa Avy Nividy Airbus Tamin'ny Air France?

  15 Jolay 2012

Voarara tsy mahazo mandia ny faritr'habakabaka eoropeana tamin'ny 2011 ny zotram-pitaterana an'habakabaka Air Madagascar noho ny tsy fanarahany ny fitsipi-piarovana mihatra. Nankalazain'ny fitondrana tetezamita malagasy nanetriketrika tokoa ny fividianana Airbus A340 roa an'ny Air France. Saingy, maro ny fanontaniana nipoitra amin'ny hoe sahaza antsika ve, manao ahoana ny fanomezam-bola sy ny fombafomba nividianana azy sy ny vokatra lavitr'ezaka sy ny faharetany eo amin'ny orinasa.

Malawi: Governemanta Vaovao Miatrika Fanamby Ara-toekarena sy Sosialy

  09 Jolay 2012

Raha maro ireo malawita no feno fanantenana hatramin'ny nahatongavan'i Joyce Bandà teo amin'ny fitondrana ny firenena, ny sasany tamin'izy ireo kosa tsy maintsy namorona fomba azo atao mba hampifandanjàna ny vola miditra sy mivoaka manoloana ny  fiakaran'ny vidim-piainana. Mikarataka ny tanora sasany hananany fiainana metimety kokoa avy amin'ny fitadiavany.Izany rehetra...