Raha manomboka ny Tahirimbola ho an'ny Fatiantoka sy Fanonerana ny COP28 dia nasongadin'ny orambe mivatravatra kosa ny fitomboan'ny faharefoan'ireo Nosy Karaiba manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro.

Sary nasongadina avy tamin'ny Canva Pro.

Tena efa akaikin'ny fiafaran'ny vanimpotoanan'ny rivodoza ao Atlantika no nisy fikorontanana iray nantsoina hoe ny mety ho rivodoza trôpikaly faha-roa ambiroapolo tapa-kevitra ny hiala avy any amin'ny faritra manakaiky ny atsimon'i Jamaika ary nitodi-doha nianavaratra-andrefana. Vaovao ratsy io ho an'ilay Nosy – ary manaraka izany, ho an'ilay Repoblika Dominikana – izay tafiditra indrindra ao anatin'ny làlana ho lalovany. Na dia tsy mbola nisy rivotra aza ary mbola tsy voafaritra ôfisialy ho tafio-drivotra trôpikaly izy, ny loza (anisan'izany ny fahafatesan'olona 21 tany amin'ny Repoblika Dominikana) dia tena goavana. Hatramin'ny volana Jona, niatrika tondra-drano goavana telo ilay firenena Karaibiàna miteny Espanola, ireo rehetra ireo dia nahitana rotsak'orana tamin'ny taha avo indrindra.

Raha toa nikisaka nitety an'i Jamaika ilay andro ratsy tamin'ny 16 sy 17 Novambra, ny ilany Atsinanan'ny Nosy no tena nijaly indrindra. Nisy ny tantaran'ireo olom-pirenena niezaka nitantana ireo rano tondraka feno voay ; ireo mpandeha nihitsoka nandritra ny alina tany ambanivohitra ; ny fihotsahan'ny tany midadasika tany amin'ny faritra ambony havoana manakaiky ny Kingston, ankoatr'ireo faritra hafa ; ny renirano sy hantsana tondraka ; ary ireo lalam-be tena simba be. Soa ihany, tsy nisy ny aina nafoy, na teo aza ireo tantara maro nolazaina ary tamin'ny fomba tena Jamaikana, nisy ireo fanehoankevitra mahatsikaiky nozaraina teny amin'ireo tambajotra sôsialy.

Ny Praiminisitra Andrew Holness – izay toa afa-po fa nahatohitra tsara ireo fotodrafitrasa – dia nilaza tao amin'ny Parlemanta fa ho tafakatra 409 tapitrisa JMD (manodidina ny 2,63 tapitrisa Dolara Amerikana) ny tetibolan'ny fanamboarana làlana.

Amin'io lafiny io, ny matoandahatsoratra iray tao amin'ny gazety Gleaner dia nanosoka hevitra ny mba hampiasan'i Jamaika ny tahirimbolan'ny FMI natokana ho an'ny famatsiambola ho fizakàna sy fampaharetana, tamin'ny fanamarihana fa :

Tokony ho lasa mpandray anjara mavitrika amin'ny Bridgetown Agenda an'i Mia Mottley ihany koa i Kingston [navoitra nandritra ny COP27, ny Fivoriambe mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro tamin'ny taona 2022] ho fanavaozana ny rafitra ara-bola manerantany, izay somary nangingina tamin'izany i Jamaika, na nitàna toerana lehibe aza ireo ezaka nataon'i Ramatoa Mottley tamin'ny fampandrosoana ireo hetsika marobe izay nahazoan'i Jamaika tombony – sy mety mbola hahazony tombony amin'ny hoavy.

Nony farany, ny olana mikasika ny Fatiantoka sy Fanonerana izay nanjary laharam-pahamehana ho an'ireo Firenena Nosy Madinika  Andalam-pandrosoana sy Marefo (PEID) toa an'i Karaiba, dia nipoitra ihany ho eny amin'ny lohalaharana niaraka tamin'ilay fanambaràna ireo fanolorantenan-dry zareo firenena mandroso tamin'ny andro voalohan’ny fihaonambe mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro (COP28).) tany Dubaï. Una May Gordon, filoha teo aloha misahana ny resaka Fiovaovan'ny Toetrandro tao Jamaika,  dia nanome dera ho an'ny Alliance of Small Island States (AOSIS) noho ny fitazonana ny tsindry tamin'ny Fatiantoka sy Fanonerana nandritra ireo kaonferansa marobe :

Tokony ho soloina #FundofHope (Tahirimbolan'ny Fanantenana) ilay Tahirim-bola ho an'ny Fatiantoka sy Fanonerana. Tsy maintsy omena amin'ny ampahany ny dera amin'izao fotoana manan-tantara ankalazain'ny @COP28_UAE androany io ny @AOSISChair #WePressOn. Ao anatin'ny fotoana maharitra #climatefinance #ClimateAction #GAPSCertified #BlessedAndGrateful pic.twitter.com/ppjfhL6mm1

— UnaMay Gordon (@gemgord) 30 Novambra 2023

Nandritra ny lanonana iray nirazotra tamin'ny COP28, Rabab Fatima, Sekretera Jeneraly lefitry ny Firenena Mikambana dia nizara tarehimarika goavana izay natrehan'ny PEID  tamin'ny resaka Fatiantoka sy Fanonerana tao anatin'ny iray taona monja :

“Tamin'ny taona lasa, niatrika faharavàna sy fahavoazana nifandraika tamin'ny toetrandro, nitentina 153 miliara dolara ireo Firenena Nosy madinika andalam-pandrosoana”, hoy Rabab Fatima (@rababfh2016) avy amin'ny @UNOHRLLS, nanokatra ilay hetsika mirazotra tamin'ny COP28 “Ny fizakàna manoloana zava-tsarotra”  tao amin'ny tranohevan'ny @AOSISChairpic.twitter.com/r9bCugDtML

— Climate Analytics (@CA_Latest) 2 Desambra 2023

Tany Jamaika, naratra mafy ny fambolena nohon'ny fiovaovan'ny toetrandro tamin'ny taona 2023. Floyd Green, minisitry ny Fambolena, dia naminavina fa ireo orana roa andro monja tamin'ny volana Novambra dia nitarika fatiantoka iray miliara JMD (manodidina ny 6 tapitrisa dolara amerikàna eo ho eo). Tsy afaka nitatitra ny vokatra sarobidiny intsony ireo mpamokatra kafe noho ny fihotsahan'ny tany marobe, tondraky ny rano ny voly anana na lasan'ny rano ary very biby fiompy ireo mpiompy akoho izay anisan'ny loharano voalohany amin'ny proteina amin'ny sakafo Jamaikana.

Ity faharavana ho an'ny tantsaha madinika ity dia taorian'ilay haintany naharitra nanomboka tamin'ny faran'ny 2022 sy ny hafanana tsy ara-dalàna tamin'ny fiandohan'ny 2023, izay tsy mbola niarenan-dry zareo tanteraka. Tamin'ny 21 Novambra, ny Planning Institute of Jamaica no nitatitra fa 9 isanjato ny fidinan'ny fambolena, ny ala sy ny jono nandritra ny telovolana Jolay-Septambra, raha nihena ho 7,5 isan-jato kosa ireo vokatra fanondrana mahazatra.

Ny zava-misy ao Jamaika dia mitovy amin'izay nitranga any amin'ireo faritra hafa any Karaiba ihany, izay misy fahatahorana hoe tandindomin-dozan’ny tsy  fanjariana ara-tsakafo ankehitriny noho ny “loza voajanahary” niverimberina ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro vokatry ny nataon'ny  olombelona. Nasongadina io olana io tao anatin'ny Tatitra manokan'ireo Manampahaizana iraisan'ireo ministera mikasika ny fivoaran'ny Toetrandro sy ny Tany (IPCC).

Ilay oram-batravatra dia niteraka olana iray hafa izay efa nivandravandra tanaty lohateny lehiben'ireoy gazety malaza tao Jamaika : ny fametrahana fomba fanao sy fenitra amin'ny asa fanorenana. Nipetraka ireo fanontaniana, tamin'ny media sy teny anivon'ny daholobe, mba hahalalana raha nitontongana tato anatin'ny taona vitsivitsy ny fenitry ny fampandrosoana ny trano fonenana satria maro ny isan'ireo trano nirodana na tena simba be tamin'ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany. Nipetraka tsy tapaka ihany koa ny fanontaniana mba hahafantarana raha toa hisy fanarahamaso sy fankatoavana mifanaraka amin'ny tokony ho izy ho ataon'ny governemanta eo an-toerana sy ireo manam-pahefana ara-tontolo iainana.

Naneho ny ahiahiny ireo vondrona mpanao adisisika ao an-toerana, ny Citizens Rights to the City sy ny Island City Lab, manoloana ny fihazakazaky ny fampandrosoana, anisan'izany ny manodidina an'i Kingston, renivohitra, hatramin'ny nanalefahana ireo fepetra takian'ilay fifanarahana. Nahasarika ny saina ny fihitaran'ireo  trano avo be, narahan'ny fanahiana momba ny fiantraikan'ireny tranobe ireny amin'ny tontolo iainana, anisan'izany ny fahaverezan'ireo faritra maitso sy ny famongorana ireo hazo antitra.

Taorian'ireo orana, nisy fihotsahan'ny tany goavana teny amin'ireo havoana manodidina ny tanàna niantraika tamin'ireo trano tsara orina tany amin'ny faritra  Jacks Hill, taorian'ny volana maro nilazan'ireo mponina ny ahiahiny mikasika ny fampandrosoana tafahoatra voalaza ho tsy ara-dalàna teo amin'ny manodidina. Niorina eo amin'ny faritra misy lesoka io faritra io ary ireo  fampandrosoana lehibe vao haingana, izay mampihetsi-bolomaso, no mety nandray anjara niteraka ny olana.

Volana vitsivitsy taorian'ireo fampandrosoana lehibe nitarika ny fihotsahan'ny tany midadasika tao Tavistock Terrace any Jacks Hill, St. Andrew, dia niha-henjana ny toedraharaha. Tandindonin-doza ankehitriny ireo trano satria nitarika fivakisana vaovao indray ilay oram-be nivatravatra tamin'ny zoma teo.

Henoy ny #PrimeTimeNews amin'ny 7ora hariva raha te-hahalala bebe kokoa. #TVJNews pic.twitter.com/Ks0HE9hCex

— Fahitalavitra Jamaica/Onjampeo Jamaica Newscentre (@TvjNewscentre) 20 Novambra 2023

Nampitandrina ny profesora amin'ny jeolojia iray ny amin'ny fampandrosoana bebe kokoa ao amin'ilay faritra, raha i Diana McCaulay, mpahay tontolo iainana kosa nitsidika ny faritra sy nanao tatitra teo amin'ny Substack hoe:

Sarotra ny haka sary an-tsaina momba izay fomba azo hanitsiana izay nahazo alàlana tany amin'ireo ampahany sasany amin'ny Jacks Hill. Ahiako fa ireo izay afaka hanao izany dia hiafara amin'ny fampihenàna ny fahavoazan'izy ireo ary hiala lavitra. Ny hafa hijanona, handray risika hiatrika loza hiaina eny amin'ireo fihotsahan'ny tany fahiny. Ho very ny hasarobidin'ireo trano tranainy miorina ara-dalàna. Hirodana ny tanàna sasany, ny làlana hiha-ratsy hatrany hatrany, ho lasa tsy azo antoka ireo tolotra. Hatao tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka. Amin'ny fotoana iray dia hisy horohorontany mahery vaika ary hoarafitra vaovao indray ny endrik'i Jacks Hill.

Mifanohitra amin'ireo olana atrehina any amin'ny faritra tena manankarena ao amin'ilay Nosy, ireo solombavambahoaka misolo tena ny faritra ambanivohitra sy be tendrombohitra tsy dia manankarena loatra dia nirohotra nankany amin'ny fari-pifidianany avy mba hiresaka avy hatrany amin'ireo mponina eny an-toerana taorian'ny orana. Tamin'ny fiverenany avy any ivelany, ny Praiminisitra Andrew Holness dia nampifantoka ireo  fanamarihany tany an'ireo Jamaikana nanorina ny tranony teny amin'ireo faritra tsy lavorary, manamorona ny renirano sy ny hantsana na teny amin'ny tehezan-tendrombohitra mideza, ary niteny fa ratsy safidy izy ireo ary, vokatr'izay, dia niharan'ny voka-dratsin'ny loza voajanahary.

Carolyn Cooper, profesora amin'ny anjerimanontolo sady mpanao gazety, dia tsy niahotra nandray ny Praiminisitra ho tompon'antoka, tamin'ny fiantsoana ilay fanambaràny ho “fandevilevena henjana” ho an'ireo Jamaikana mahantra. Nampiany fa :

[Marobe] ireo Jamaikana mahantra no tsy nisafidy ny hiaina anaty toerana mampidi-doza. Tsy afaka manoatra fotsiny izao izy ireo. Tsy manana fahafahana hividy trano lehibe. Noho izany, manorim-ponenana eny anaty toerana tsy misy mpaniry izy ireo izay nahafahan-dry zareo nanorina trano mora vidy. Ny nisafidin'i Andrew Holness ny hoe “nifidy” dia mampibaribary ny tsy fahafahany manakatra ny tantaran'ireo tsy manana tany eto amin'ity firenena ity.

Nasongadin'i Cooper fa tsy nasian'ny Praiminisitra fitenenana ny amin'ireo mpampiroborobo ny tanàna mahafinaritra izay nanao tsinontsinona ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana ateraky ny fanorenana eny amin'ny havoana tsy marin-toerana toa an'i Jacks Hill. Na izany aza anefa, ny Praiminisitra Holness dia nanolotra trano vaovao anjatony amin'ny vidiny mora ao anatina fandaharanasa iray nohafainganina.

Raha mbola andalam-panakambanana an'ireo potipotika i Jamaika, dia tsy hisalasalana mihitsy fa ireo orana mpandravarava vao haingana no nitondra ny olana tena lehibe sy ela indrindra ho an'ilay Nosy : ny fambolena sy ny tsy fanjariana ara-tsakafo, ary koa ny faharetana amin'ny resaka trano fonenana sy ny fampiasana ny tany. Na inona na inona fanapahankevitra farany noraisina tany Dubaï, dia tsy hisalasalana fa mbola hisy foana ireo olana mandrapahitàna vahaolana maharitra.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.