· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Aogositra, 2018

Fitsinjarazaràna Avy Any Ogandà

Mitohy miditra amin'ny volana faha-telo ny fifampiresahana mavesatra mikasika ny fandriampahalemana ao Juba, Sodana, eo amin'ny Governemanta Ogandey sy ny Lord's Reistance Army (LRA), miaraka amin'ny fifampiampangana ataon'ny andaniny sy ny ankilany ho tsy manaja ny fifanarahana mikasika ny fampitsaharana an'ireo habibiana. Na izany aza, voasoroka ny fahatapahana tanterak'ireo fifampiresahana ireo rehefa nanambara ny Governemanta an'i Sodana Atsimo fa tsy ny LRA mihitsy, fa kosa ireo mpikatroka Sodaney tavaratra miteny arabo, no namono sivily 38 tao an-tanàna manakaiky an'i Juba.

28 Aogositra 2018

Cap Vert: Nahoana No Misondrotra Ny Vidin'ny Solika?

Miaina ao anaty firenena iray tena mahantra isika, izay miankindoha tanteraka amin'ny ambin'izao tontolo izao mikasika ny famatsiana azy. Ao an-tokantrano ihany ny famokarantsika ary izay rehetra hanintsika sy sotrointsika dia avy any ivelany avokoa. Vokatr'izay, ry mpitondra malala, na eo aza ny mampiavaka ny firenentsika sy ny toekarena erantany, dia ilaina ny mamorona safidy hafa amin'ny fiankinantsika loha amin'ny solitany. Tsy mila mamorona kodiarana isika. Maro ireo ohatra eran'izao tontolo izao, fa ilaintsika fotsiny ny haranitantsaina mba hamahàna ireo olana ao amin'io firenena io.

28 Aogositra 2018

Andron'ny Hetsika Ho An'ny Bilaogy 2008, Mitoraka Bilaogy Momba Ny Fahantrana Ny Afrikana

Andro natao hanokanan'ireo mpitoraka bilaogy maneran-tany tena ho aminà lohahevitra iray manokana amin'ny bilaoginy tsirairay avy ny BlogActionDay (Andron'ny Hetsika Ho an'ny bilaogy ; amin'ny teny anglisy). Ny fahantrana no lohahevitra amin'ity 2008 ity. Manoratra izay heveriny hampihenàna ny fahantrana aty Afrika ny mpitoraka bilaogy tsirairay.

25 Aogositra 2018

Afrika Atsimo : Ity no “Joule”, Fiara Afrikàna Voalohany Mandeha Amin'ny Herinaratra

Ny fitahirizana ny angovo no tena olana be ara-teknika no sady iray mibahana ny fanekena ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra, manomboka amin'ny lanjan'ny vatoaratra, ny fotoana famahanana azy. Io olana io no ilain'ilay lasitra famarotana vahàna....Mampahatsiahy zavatra anareo ve izany? Eny, ny lasitra ara-toekarena ampiasain'ny telefona finday.

24 Aogositra 2018

Afrika : Tsy Fandoavana Hetra, Tombony Ho an'ny Fampandrosoana Sa Ho an'ny Françafrique ?

[...] "varavarana iray misokatra" amin'ireo orinasa frantsay sy ireo governemanta afrikàna mba hisolokiana ny vahoaka [...] Ry namana malala, raha toa ireo tandrefana ka maniry ny hampiasa vola marina aty Afrika, dia aoka izy ireo handeha ho any ary tena hanao marina toy izay nataony tao Shina...Afrikàna isika, ekena, ary mahantra, saingy tsy adala!

21 Aogositra 2018