Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2020

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Marsa, 2020

Shina: Tsy maintsy fanondranana tany tsy fahita firy sa tsia ?

Miaraka amin'ny fitomboan'ny fihetsehampo miaro tanindrazana, betsaka amin'ireo shinoa ao amin'ny tanibe no mankasitraka ny fameperana nataon'ny governemanta amin'ny fanondranana ireo tany tsy fahita firy

Mahazo tosika atsasa-miliara dôlara avy amin'ny banky lehibe ny indostirian'ny famoronana eto Afrika

“Noho ny tsy fahampian'ny fampiasam-bola eo amin'ny indostirian'ny famoronana sy ara-kolontsaina, tsy hita eo amin'ny tsenan'ny hevitra, sanda ary ny hatsarana i Afrika," hoy i Benedict Oramah, filohan'i Afreximbank.

Tranga COVID-19 roa voamarina; mandray fepetra i Trinidad & Tobago

Nakatona ny sekoly, tsy avela hiantsona ireo sambo mpitondra mpizahatany, nofoanana ireo hetsika goavana satria manao ezaka hifehezana ny fiparitahan'ilay viriosy ny governemanta.

Faly ny vondrona media ao Filipina fa nilaza ny hiaro ny fahalalahan-gazety ny orinasan-teknolojia voampanga ho nanao fanafihana an-tserasera

"Fandresena kely izao ao amin'ny tolona ataonay ho amin'ny fahalalahan'ny gazety. Miantso ny orinasan-teknolojia rehetra izahay tsy hamela ny fotodrafitrasany ho ampiasain'ny fahavalon'ny fahamarinana."

Fanakatonana ny Aterineto taona 2019: Mbola mijanona ho lohalaharana amin'ny lisitr'ireo ratsy indrindra i India

Tamin'ny taona 2019, tao India fotsiny no nahitana ny fanapatapahana ny fidirana amin'ny aterineto in-121, hoy ny tatitra vaovao avy amin'ny Access Now.