Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Febroary, 2018
Maraoka: Hajj sy Vodka, Fez ilay Fifanolanan'ny Fotoana, Ary Ireo Antony Folo Voalohany Hanivanan'ny Maraoka Telecom
Manontany ny antony anivanan'ny Maroc Telecom? Inona no mampiaraka ny hajj sy ny vodka? Ahoana no ataonao mba hivoahana any an'habakabaka? Manana ny valin'ireo fanontaniana ireo i Jillian York ary maro hafa tao anatin'ny fitetezana ny blaogy Maraokana.
Japana: Niverina Ny Hetran'ny Solika
Tafaverina indray ilay hetra "vonjimaikan'ny" solika any Japana, 25 yen isaky ny litatry ny solika, nohalavaina nandritra ny 30 taona ary namatsiana fandaharan'asa fanamboarana làlana 5000 eo ho eo, taorian'ny ady nifanaovana tamin'ny mpanohitra, ary tsy nankasitraka izany ny olona. Tantaran'ny zavatra niainany tamin'ny fanandramana hameno ny fitoeran-tsolikany teny amin'ny toby fitsinjaràna solika tamin'ny andro farany nialoha ny fiakaran'ny vidin'ny solika ny voalohan'ny volana May.
Hong Kong: Ny Fiafaran'ny Anganongano HSBC
...maro ireo mponina any Hong Kong no nandray soa tamin'ny fampiasàmbolan'ny ray aman-dreniny tao amin'ny HSBC...
India: Tata, Jaguar ary Rover.
(2008) Ankehitriny, ao anatin'ny tantaran'ny tena fandrosoan'ny toekaren'izao tontolo izao, nividy marika roa malaza be tamin'ny Anglisy ny Tata ao India, dia ny Jaguar sy ny Land Rover.
Korea: Ireo Orinasa Mpampindram-bola sy ny Dokambarotra
Sahirana ny media mitatatata momba ny zanabola 66 isanjato isan-taona. Tsy sarotra ny mahatakatra hoe ambony be izany raha toa ka olon-dehibe mahaleo tena. Olondehibe afaka mitsara sy mitondra tena tsy miankina na amin'iza na amin'iza ianao. Aza manome tsiny ny hafa amin'ny tsy fahampian'ny fahaizanao mitsara
Tajikistan: Ny Herin'ny Fosafosa
Marobe ireo media manana lahatsoratra vonona miaraka amin'ireo hevitra samihafa sy ireo tranga samihafa, samy manisa andro miandry izay haha-marina na tsia ireo honohono.
Mamaha “Ny Olan'ireo Olona Kilemaina” Tokoa Ve Ny Seza Misy Kodiarana Rôbôtika Vaovao Ao Japana ?

Raha tokony hampivelatra teknolojia vaovao izay hita fa tsy mifanaraka, nahoana no tsy mampiofana mpikarakara matihanina farafaharatsiny?
Asongadin'ireo Hetsipanoherana Ny Mety Ho Herin'ny Lalànan'i Iràna Momba Ny Fahafahana Mahazo Vaovao

Fotoana mety tsara izao mba hampiharana ireo ezaka mankany amin'ny mangarahara taorian'ireo hetsipanoherana tamin'ny Desambra sy Janoary tao Iràna. Tsy maintsy ny fampiharana tanteraka ny Lalànan'i Iràna momba ny Faafahana mahazo Vaovao no tsy maintsy dingana voalohany.
Okraina: Fialofan'ny Biby
Ny 19 Aogositra 2007, nandeha nitsidika toerana iray fialofan'ny biby ny mpanao gazety Okraniana Tanya Kremen, tanàna kely iray miorina ao ivelan'ny Hostomel Toy izao ireo heviny sy ireo eritreriny, izay nalefany tamin'ny blaoginy tao amin'ny Korrespondent.ne