· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jolay, 2018

Haiti: Firodanan'ny sekoly iray tao Haiti

''Tsy nanakana ny vaovao hitranga ny zava-misy fa tsy nila loza hafa i Haiti. Momba ny firodanan'ny sekoly iray tao Pétionville izany amin'ity indray mitoraka ity, izay niteraka fahafatesan'ny ankizy maro, ary olona maro tsy voatanisa naratra. Nihazakazaka hanolotra ny fiarahamiory sy ny fanohanany an-tambajotra ireo blaogera haitiana.''

22 Jolay 2018

Bangladesh : Nakarina ny karama farany ambany any amin'ny sehatry ny fanenoman-damba

Taorian'ny fihetsiketsehana sy fifampiraharahana maro nataon'ny mpampiasa sy ny mpiasa, nanapaka hevitra ny hanondrotra ny karama farany ambany ho 3000 tk isam-bolana (latsaky ny 40 eoros) ny fanjakana, izay mitovy amin'ny in-droan'ny karama farany kely indrindra ankehitriny. Mandajalanja ity revolisiona ho an'ny indostrian'ny lamba ao Bangladesh ity ny blaogera.

22 Jolay 2018

Inona no lazain'ny bilaogera momba ny ambanivohitr'India?

Rehefa namaky bilaogy samihafa aho dia matetika izany no milaza fa mampiseho ny fisainan'ny olona saranga antonony ny famahanana bilaogy ao India. Dia tena nieritreritra tokoa aho noho izany raha marina ny lazain'ny bilaogy Indiana mikasika ireo lohahevitra tsy momba ny sarangan'olona antonony na momba ny tanandehibe sy ambanivohitr'i India.

17 Jolay 2018