· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Avrily, 2011

Gabon : Fiverenan'ny Fandraharahana Eo amin'ny Sehatry ny Solika sy ny Fampiasam-bola Indray

Ny Alatsinainy 8 Aprily, niverina niasa ireo mpiasan'nysehatry ny solika ao amin'ny (ONEP)ont repris le travail. Ny ONEP dia nanao fitokonana mba hisian'ny fepetra vaovao momba ny asan'ireo mpila ravinahitra eo amin'io sehatra io, izay «ampangain-dry zareo ho maka ny toerana tokony ho an'ireo Gabone ». Iadian-kevitra ankehitriny ny momba ny hitsinjaràna ny vola azo avy amin'ny solika ho an'ny faritra:

30 Avrily 2011

Arzantina: Miresaka Sondro-bidim-Piainana ireo Mpitoraka Bilaogy

Lohahevitra efa resabe hatry ny ela ta Arzantina ny sondro-bidim-piainana, ary lasa lohahevitra miverimberina eo amin'ireo mpitoraka bilaogy.Satria olana ara-politika manan-danja lehibe tokoa, dia andrasana ny handraisana azy ho lohahevitra lehibe hifandresen-dahatra mandritra ny hazakazaka hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny Oktobra ho avy io.

26 Avrily 2011

Okraina: Miteraka resabe ny dite “Stalin”

Fihetseham-po misavoritaka izay mitodika amin'ny rafitra kaominista fahiny no tsy ananan'ireo mpamokatra ny fitrandrahana azy. Tetyana Bohdanova mitatitra nby adihevitra mivaivay misy amin'izao fotoana eny anivon'ireo Okrainiana mpiondana aterineto, nateraky ny dokambarotra momba ny dite nomena anarana hoe Joseph Stalin.

10 Avrily 2011

Serbia: Famaliana ny soa nataon'i Japoney

Manao tatitra mikasika ny finiavan'ny vahoaka Serba eo amin'ny fanampiana ireo Japoney niharam-boina tamin'ny zava-doza niseho i Sasa Milosevic ary namaly am-pankasitrahana ny fanampiana natolotr'i Japana ho an'i Serba ny vahoaka Serbiana.

08 Avrily 2011

Taiwan: Antso mba hanopaza-maso ny politikan'ny angovo

Nampitahotra ny vahoakan'i Taiwan ny tranga niseho tany amin'ny toby nokleary any Fukushima any Japana, momba ny fiarovana ny toby nokleary any amin'ny fireneny. Mba hamadihana ny olana misy amin'izao fotoana ho politika maharitra ho an'ny governemanta, mpampiasa aterineto maro no nangataka ny governemanta Taiwanais mba hamerina handinika tsara ny politikam-pirenena momba ny angovo sy ny orinasa.

02 Avrily 2011