Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Desambra, 2022
Hetsika mba hahafahan'ny rehetra misitraka amin'ny vidiny mora ny “salàkam-bavy” ao Azia Atsimo
Misy ezaka atao ao Bangladesh, India ary Népal mba hanomezana salàka fidiovana ho an'ny vehivavy ka mba hanatsaràna ny fahasalaman'izy ireny sy hamongorna ireo fanilikilihana ara-tsôsialy mifamatotra amin'ny resaka fadimbolana.
Aostralia, mitady izay fomba hatao hiadiana amin'ny fiparitahan'ny famotsiana ny fandefasana entona karbôna manafàna ny tany
"Raha ireo mpanjifa miha-mifantoka bebe kokoa amin'ny fividianana vokatra maharitra, ny atahorana bebe kokoa dia ny hanaovan'ireo orinasa sasantsasany fanentanana diso amin'ny fampiroboroboany ny fanondroana ny vokatra avy aminy ho maitso na manaja ny tontolo iainana"
Nolavin'i Qatar ny fanonerana ny mpiasa nanangana ireo fototrafitrasan'ny amboara erantany FIFA 2022
Telo herinandro mialoha ny fiadiana ny amboara eran-tany FIFA 2022, nolavin'ny minisitry ny asa ao Qatar ny antson'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba hanonerana ireo mpiasa mpifindra monina nandray anjara tamin'ny fananganana ny kianja sy fotodrafitrasa hafa.
Ny fambaboana fanjakana tao Afrika Atsimo, nataon'ny fianakaviana Gupta: lesona momba ny hery pôlitika miasa mangina
Niteraka ampahany manankarena tafahoatra ao anatin'ny fiarahamonina ny fitomboan'ny tsy fitoviana sy ny harena tsy voafehy. Miaraka amin'io vola io ny hery miasa mangina (dindo) mety hitera-doza ho an'ny fahitsian'ny pôlitika anatiny sy ny fiandrianam-pirenena.
Ny fomba nahatongavan'ilay sakay mafana ‘Akabare’ nanitikitika ny retsikanin'ireo Nepaley mpankafia paty
Nameno ny indostria mikasika ny paty Nepaley ilay sakay mahamay indizeny ao Nepal, miendrika boribory, fantatra amin'ny anarana hoe ‘Akabare’ ao an-toerana, ary efa mandroso mankany amin'ny tsena iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao.