Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Avrily, 2015
Ao Anatin'ny Fibodoan'ireo Mpianatra ‘New University’ Ao Amsterdam

Manome ny sombiny amin'ny hetsika "New University", fibodoana nandritra ny roa volana nataon'ireo mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Amsterdam, i Roberto Pizzato sy Nicola Zolin, mpanao gazety sy mpaka sary.
Toby Yarmouk : Eo Anelanelan'ny Maritoan'ny Hanoanana Sy Ny Riandrianan'ny Mahery Fihetsika
Taorian'ny efa ho roa taona namelàna azy ireo ho faty, samy mifaninana mamono ireo izay mbola velona amin'ireo Palestiniana mpitsoa-ponenana ao amin'ny Toby Yarmouk any Damas, Syria ny Assad sy ny tafiky ny ISIS .
Ny Finday Raitra Voalohany Vita Afrikana
Finday avo lenta (smartphone) vita ao Afrika mitovy toetra amin'ireo marika lehibe iraisampirenena, namboarina manokana hoan'ny tsena ao an-toerana.
Fa Ahoana no Ahatafavoahan'ny Malagasy Miaina Amin'ny Vola Kely? Amin'ny Fahaiza-Mamoron-Javatra Maro
"Ady Gasy", fanadihadian'ilay mpanatontosa filma misandratra Lova Nantenaina, mamelabelatra ny fananan'ny mponin'i Madagasikara hakingan-tsaina handreseny ny adim-piainany isan'andro.
Rosiana Enimpolo Tapitrisa Isan'andro No Miditra Aterineto

Ambony dia ambony ankehitriny ny fidirana aterineto ao Rosia raha oharina amin'ireo firenen'ny BRICS na CIS, saingy ambany kokoa raha oharina amin'ireo firenena Baltika, olon-dehibe Rosiana maherin'ny 60 isan-jato no zatra miditra aterineto.
Tena Ambany Tokoa Ve No Fihevitry Ny Japoney Ny Amerikana?
Indro kelin'ny mpandrafitra tsinjon'ny USA Today tao anatin'ilay fitsapankevitra iray vaovao nataon'ny Pew ho fampitahàna ny fomba fifampijerin'ny andaniny sy ny ankilany eo amin'ny Japoney sy ny Amerikana, ka nataony ho lohateny lehibe.
Shinoa Mpanakanto Tratry Ny Sivana Noho Ny Famarotana Ny T-Shirt Ai Weiwei

Hitan'i Wu Tu ny fifandonan'ny zo ara-toekarena sy ny sivana an-tserasera raha nanandrana nivarotra T-shirt manohana gadra politika malaza erantany izy.
Ny Fanangonan-Tsonian'ireo Olom-pirenen'ny Fiombonam-be Eoropeana Ho Fanoherana Ny Fifanarahana Nataon'Ny CETA Sy Ny TTIP
Araho amin'ity taona ity ireo fifanarahana manerana an'i Atlantika nataon'ny Fiombonam-be Eoropeana sy Kanada ary Etazonia niaraka. Ahian'ny vondrom-piarahamonina Eoropeana hanitsakitsaka ny tombontsoan'ny mpanjifa izy ireo.
Madrid : Firaisankina Teraka Avy Amin'ny Sisanà Korontam-Baton'ny Trano Iray Noravàna
" Mihevitra ry zareo fa nandresy fa ny tsy fantany dia vahoaka maro mahafatifaty no hanorina indray ny #On29 #ReconstrucciON29 "
Somaliana Amerikàna: Miady Hanavotra Ny Vola Tahiriny Ho An'Ireo Havany Any An-tanindrazana
Lasa sarotra kokoa ny mandefa vola any Somalia, ary olana goavana io any amin'ireo toerana sahala an'i Minnesota, Amerika, izay misy Somaliana Amerikana sasany nandefa vola tany aminy efa am-polo taonany maro.