Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Aogositra, 2010
Ejipta: Departemantam-piarovana ho fanaraha-maso ny Facebook sy Fanohanana ny Governemanta
Tamin'ny 1 Jolay 2010, ny Ministera Ejiptiana misahana ny Atitany (Ministry Of interior - MOI) dia voalaza ho nametraka departemanta iray manokana hanara-maso ny hetsika sy ny votoaty Facebook rehetra ao Ejipta mifanaraka amin'ny fanapahan-kevi-panjakana faha 765.
Korea Atsimo: fiarovana tsy ampy niteraka fipoahan'ny fiarabe mpitatitra
Mbola nianoka fitsangatsanganana mandritra ny fialantsasatra ry zareo Koreana Tatsimo raha nahita tamin'ny lahatsary ny fipoahana mampihoron-koditra fiarabe mpitatitra iray tao afovoan'i Seoul. Fiarabe mpitatitra efa mahazatra ny rehetra ary...
Korea Atsimo: Naato ny fitakiana ny mombamomba izay hiserasera
Any Korea Atsimo , nampahafantatra ny fahalalam-bahoaka (notion publique) fa navelantsika hiharatsy ny toe-draharaha satria voasakana ny vavahady lehibe Koreana iray raha nanandrana ny nanangona ireo mombamomba ny olon-tsotra manokana.
Maraoka: Fihaviana sy Fanavakavaham-bolon-koditra
Maraoka, fihaonan-dalan'ny tontolo Atsinanana sy Andrefana, ny tontolo Eoropa sy ny tontolo Arabo hatry ny ela dia firenena ahitana fahasamihafana amin'ny lafiny maro, ary mihoatra noho izany aza, mahazaka ny...
Slovakia: Hampandoa vola ny vaovao an-tserasera tahaka ny TV Cablée ve?
Miova tokoa ny andro. Eny fa na any Shina aza ankehitriny nisy ny olona, taona vitsivitsy lasa izay, no nihomehy raha nilazana fa handoavam-bola ny mankany an-trano fidiovana, ary, iza...
Bangladesh: Mizara ireo heviny momba ireo orinasa Grameen ireo mpitsidika
Amin'ity fahavaratra ity, mpianatra valo sy mpikambana ao amin'ny sampana mianatra ny Fifehezana ny Fitantanam-bahoaka (MPA) ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Kentuky Avaratra (NKU) any Kentucky any Etazonia no mamarana fiofanana any Bangladesh ao amin'ny Banky Grameen. Nanao fitsidihana maro tany izy ireo ary mandrakitra ireo zava-niainany any amin'ny blaoginy tsirairay avy amin'ny alalan'ireo lahatsoratra, sary ary horonantsary.
Filipina: Topimason'ireo mpitoraka blaogy amin'ny olana mianjady amin'ireo tantsaha
Ireo mpitoraka Filipiana nandray anjara tamin'ny fitetezam-paritra ara-barotra tany amin'ireo tanàna an-tendrombohitr'i Cebu, faritra afovoan'i Filipina, dia nahita ny fomba toe-piaina sy nahazo sary an-tsainaireo olana atrehan'ireo tantsaha any amin'io faritra io.
Qatar: Manontany izay tetikasa amin'ny hoavy ireo miasa ivelan'ny tanindrazana
Raha mponina efa ela tany amin'ny iray amin'ireo firenen'ny GCC ianao, inona ireo tetikasa maharitra anananao? Inona no hataonao rehefa tafaverina an-tanindrazana? Ao amin'ny Qatar Living, miezaka mamaly ny fanontaniana tsy azo idifiana ireo niala ny tanindrazany: Inona no hataony rehetra miverina an-tanindrazana izy ireo?
Qatar: Mizaka ny fanovàna laharan'antso ho isa valo ireo mponina
Ao anatin'ny ezaka ho fiatrehana ny filàn'ny ampitso, novain'i Qatar ny ankamaroan'ireo laharan'antso rehetra na finday na ny mampiasa tariby, miala amin'ny isa fito hanjary ho valo. Mitaraina ny mponina, saingy mahita fa toa mora ihany tsy araka ny noeritreretina ilay fiovàna.