Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Desambra, 2013
Fidinana An-dàlambe Miisa 7 No Hita Tany Azia Atsimo Atsinanana Ny Taona 2013
Governemanta maro tany amin'ny faritr'i Azia Atsimo Atsinanana no niatrika fihetsiketsehana goavana maro tamin'ny alalanà fidinana an-dàlambe ny taona 2013. Mbola mitaky ny fialàn'ny lehiben'ny governemanta hatramin'izao ny mpanao fihetsiketsehana ao Tailandy.
Shinoa 38 Tapitrisa Miala Amin'ny Fiantohana Fisotroan-dronono
Mampibaribary olana gavana amin'ny rafitra fisotroan-dronono ao Shina ny fihenan'ny isan'ny olona manao fiantohana.
“Tour Builder”, tolotra hafa an'ny Google tsy azo ampiasaina any Kiobà
Manamafy i Google fa ny fanapahankeviny dia mifototra amin'ny fandraràna ara-toekarena ataon'i Etazonia amin'i Kiobà.
‘Tsy Ao Tsara Isika !’ Afisy Mivezivezy Any Amin'ny Anjerimanontolo Koreana Tatsimo
Afisy sora-tànan'ny mpianatra iray ary nahantony teo amin'ny fàfana fametrahan'ny anjerimanontolony hafatra, nentiny nanehoana ny fiasàny loha mikasika ireo olana ara-tsosialy no niparitaka be tao Korea Atsimo ary nitondra aingam-panahy ho an'ireo hafa mba hanao toy izany koa.
Fidiram-bola Ambany Indrindra Tsy Arahana Fepetra Ho An'ny Eoropeana Rehetra

Anatin'ity ampahany ato amin'nyGV Face ity isika dia hiresaka amin'ireo mpikatroka mafàna fo nanangona sonia sy nanaitra ny sain'ny maro mikasika ny filàna “Fidiram-bola Ambany Indrindra Tsy Arahana Fepetra” ho an'ny isam-batan'olona—tsy mila miasa - ao Eoropa
“Mampatahotra An'i Putin Ny Tontolo Ivelany”: Miady Hevitra Mikasika An'i Okraina ireo Rosiana

Misy "plugin" Twitter iray ve afaka ampiasaina hanapahana ireo mpitsikera politika rehetra izay, mitoetra eo amin'ny tranokely fisotroan-kafe ao Maosko, ka miady hevitra mikasika ny lahatr'i Okraina?
Ny Sanda Ara-Olon'ny Fandrosoana Any India
Loza mananontanona ny trano fonenana sy ny foto-piveloman'ireo mponina ao Jagatsinghapur, India ilay vinavina fananganana orinasa fanamboarana vy acier. Niady araka izay tratry ny heriny tamin'ny governemanta sy ny orinasa nitondra io tetikasa io ireo mpanohitra izany.
Nanokatra Ny Petra-Bola An-tSerasera Ho An'ny Rehetra Ny Goavan'ny Aterineto Shinoa Alibaba Sy Baidu
Tafiditra tamim-pahombiazana ao amin'ny sehatry ny fampiasam-bola sy ny resaka ara-bola an-tserasera ny goavan'ny aterineto, ka lasa mihantsy ny ampihimamban'ny bankim-panjakana.
Masoivohom-Baovaom-Panjakana Rosiana Mahazo Fanavaozana Mifanaraka Amin'izay Ilain'ny Mpitondra

Tsy ho tafaboaka velona amin'ny ririnina ny iray amin'ireo masoivohom-baovao diso fantatra loatra ao Rosia, RIA Novosti. Teo am-pifohazana no nahitan'ireo mpiasan'ityy masoivohom-baovao iraisam-pirenena ity, izay an'ny fanjakana, ny didy vaovao avy amin'ny fiadidiana ny lapam-panjakana 'fanafoanana' ny fisian'izy ireo
Mpirotsaka An-tsitrapo Avy Any Amin'ireo Tanàna Nidonan'ny Rivomahery Tao Filipina Mizara Tantara Efatra Mety Hampirotsa-dranomaso Anao
Razana tsy mbola voahangona, sisam-paty miandry fanampiana, arabe rakotry ny poti-javatra. Ireo no sasany tamin'ny zavatra hitan'ny mason'ireo mpirotsaka an-tsitrapo tany amin'ireo faritany nidonan'ilay rivomahery tao Filipina