Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Desambra, 2014
Hetra Vaovao ao Makedonia Manery ny Mpiasatena sy ny Asa Ampaha-Potoana Hidina An-dalambe
Ao amin'ny firenena izay manatomotra ny 29 isanjato ny tahan'ny tsy fananan'asa, dia ny asa-tena sy ny asa ora tsy feno ihany no mba azon'ny olona maro idirana.
Tilikambo Manerinerina Manimba ny Sarin'ny Maherifon'ny Firenena ao Filipina
Trano manana rihana 49 an'ny "Torre de Manila" [tilikambon'i Manila] izay nahazo anaram-bositra "Terror de Manila" [horohoron'i Manila] avy amin'ny mpanakiana noho ny fandravàny ny fijerena ny tsangambaton'i Rizal ao amin'ny Luneta Park.
Miandry Daholo Aloha Ny ao Bahrain fa Mbola Milomano, Mivoy ary Mihazakazaka Ny Zanaky ny Mpanjaka
Nahemotra ny fandevenana, nikorontana ny sidina an'habakabaka, tsy afaka namonjy ny asany ny dokotera ary tsy voatsabo ireo marary raha nilomano, nihazakazaka sy nandeha bisikileta kosa ny zanaka lahin'ny mpanjaka.
Endriky Ny Fitateram-Bahoaka Azia Atsimo-Atsinanana An-tsaripika
Mpitondra môtô tsy manao aroloha, jeepneys mavesatra loatra, ary mpandeha fiaran-dalamby ambonin'ny tafon'ny kalesy no sasantsasany amin'ny fiara fitateram-bahoaka mahazatra hitantsika an-dalamben'i Azia Atsimo-Atsinanana.
Mety Hitsingidina Ny Robla, Fa Hanidina Ireo Sary Rosiana Mahatsikaiky
Ao anatin'ny tebiteby misonga mikasika ny vola sy ny toekarena ao Rosia, nanangona ireo ohatra maro isan'ny malaza sy mahatsikaiky amin'ireo "sary mahatsikaikin'ny robla" tao amin'ny Twitter Rosiana ny RuNet Echo.
Fitontongan'ny Vola Zeorziana Aseho Amin'ny Sary Novàna Tamin'ny Photoshop: Miala Avy Amin'ny 50 Cent Ary Tonga Amin'ny Hoe ‘Fanavotana Ny Miaramila Lari’
Nolemen'ireo "trangan-javatra avy ao anatinysy avy any ivelany" ny vola "lari" fampiasa manerana an'i Zeorzia, raha ny filàzan'ny banky foibe, nahatonga azy ho lasibatry ny fanadrohadroana tety anaty serasera.
Handany Samirery Ny Alin'ny Krismasy? Manana Ny Ambarany Ny Japoney
Tao am-piasàna, sondriana ery ireto tanora mpiara-miasa nifampitafa mikasika ny lamina hiatrehana ny kuribotchi. "Fa inona marina aloha ilay atao hoe kuribotchi?" Hoy aho sady nikakakaka no nanontany. Fahanginana hafahaha no setriny
Movember Ataon'ireo ‘Mo Bros’ Amin'izao Fotoana Ao India
Tato anatin'ny taona vitsivitsy dia manao ny Movember amin'ny fomba miavaka i India . Ny fanaovan-tsoa sy ny mahafinaritra, nanova ny endriky ny olana ara-pahasalaman'ny lehilahy, sady ara-bakiteny no sarinteny ihany koa.