· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Aogositra, 2012

Frantsa: Ethylotest Tsy Maintsy Atao Hisorohana Ny Alikaola Eny Am-pamiliana Fiara

Manomboka ny 1 Jolay 2012, ny mpamily fiara misy maotera rehetra ao Frantsa dia tsy maintsy mandalo 'éthylotest' daholo araka ny didim-panjakana nivoaka tao amin'ny Gazetim-panjakana tamin'ny Alakamisy 01 Martsa 2012. Io fepetra io dia heverina hampihena ny isan'ny loza aterak'ireo mpamify tsy ampy fiheverana domelin'ny alikaola. Maneho hevitra momba ireo loza ateraky ny fandraisana alikaola eny am-pamiliana ireo mpikirakira aterineto.

25 Aogositra 2012

Afrika: Hialàna Amin'ny Ozon'ny Harena An-kibon'ny Tany

Maninona ireo firenena Afrikana feno harena an-kibon'ny tany tahaka ny Repoblika Demokratikan'i Kongô, Nizeria na Madagasikara raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy, no tratran'ny fahantrana tsy fahita any ankoatra ihany koa? Izany no hevitr'ilay ozon'ny harena an-kibon'ny tany, izay nanimba firenena maro tany Afrika ambanin'i Sahara.

24 Aogositra 2012

Azo iainana Tsara Ve Any Amin'ireo Tanan-dehibe Afrikana ?

Fanadihadiana iray nataon'ny The Economist Intelligence [en] momba ireo tanàn-dehibe eran'izao tontolo izao azo iainana tsara (ny tatitra manontolo amin'ny endriny pdf) , no manolotra hoe amin'ireo tanàna 10 sarotra iainana indrindra eto ambonin'ny tany, 6 no aty Afrika. Kanefa, misy fandaharana iray hafa mampiseho fa sambatsambatra kokoa any amin'ny firenena afrikana sasantsasany noho ny any amin'ny firenena eoropeana maro

20 Aogositra 2012

Ejipta: #DearEgyptAir (#EgyptAirMalala), Tolotra Mendrika Azafady

Tato anatin'ny taona vitsy dia hita mazava fa raha toa ka misy olona manana feo avo ary be ny mpihaino azy — tsy ilaina intsony ny manamarika hoe manana fahaizana mihanihany — dia afaka ampiasaina tsara ny fampahalalam-baovao sosialy ho sehatra enti-manova.. Tamin'ny Alarobia, nampiasa ny Twitter ry zareo Ejiptiana mba hitarainana— sy hivazivaziana— mikasika ny zotram-piaramanidim-pirenena "Egypt Air".

15 Aogositra 2012

Ejipta: Maizina Ao Kairo

Hafa kely ny lohataona ao Ejipta tamin’ity. Iharan’ny fahatapahan-jiro sy rano miverimberina isan’andro ireo distrika samihafa tao anatin’izay volana vitsy izay. Ary amin’izany, mbola tsy nisy ny fanambarana mazava avy...

11 Aogositra 2012