Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Oktobra, 2017

Arabia Saodita: Fantsom-pahitalavitra Amin'ny Teny Persiana Ho An'ny Iraniana

Orinasam-pahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana Saodiana ny MBC , fantatra eo amin'ny tontolo Arabo noho ireo fantsona fialamboly sy noho ny fantsom-baovao Al-Arabiya .  Nanomboka nanokatra fantsona vaovao tamin'ny 9 Jolay 2008 ity orinasa ity, MBC Persia, izay ahitana sarimihetsika amin'ny dikanteny Persiana [farsi].

Fanadihadiana: Very any amin'ny Indostirian'ny Fanaovana Dite Faha-Sovietika Tao Zeorzia

"There was not a single unemployed person in Laituri. Everyone was employed at either the plantation or the factory." "Tsy nisy olona na dia iray aza tsy an'asa tao Laituri. Na ny olona niasa tao amin'ny fambolena na tao amin'ny orinasa avokoa."

Mametra Ny Fivarotana Trano i Shina, Mifanaraka Amin'ny Filàn'ny Vahoaka Ve Izany?

Mba hanakanana ny tsenan'ny tany aman-trano mafapàna loatra, nandràra ny fivarotana indray an'ireo efi-trano mandritra ny roa hatramin'ny dimy taona amin'ny fividianana izany ao amin'ireo tanàna 50 mahery i Shina.

Fizahan-tany, Vietnam Silamo & Bilaogy

IranMehr (Persiana) miresaka momba ny olan'ny indostrian'ny fizahan-tany any Iran. Nanoratra izy na dia eo aza ireo manintona ao amin'ny firenena toy ny tsangambato mana-tantara, ireo tanàna fahiny, sy ny tontolo iainana.

Afghanistana: Kabul Bank Eo Am-pahafatesana

Eo am-pahafatesana, manana trosa 1 miliara ny banky, izay an'ny rahalahin'i Hamid Karzai, filohan'i Afghan. Olona an'arivony no afaka naka vola mahery ny 200 tapitrisa dolara tamin'ny herinandro lasa, fa ny hafa kosa tsy navelan'ireo mpiambina mitam-piadiana niditra tao amin'ny banky.

Ny Vola Inti Fahatsiarovana Ny Fotoana Nahamontsana ny Toekarena Peroviana

Raha Peroviana ianao ary maherin'ny 35 taona, mety ho tsaroanao ny fotoana nahagaigy ny toekarenan'i Però, indrindra nandritra ny tapany faharoa ny taona 1980.

Nampiato Ny Famokarana Noho Ny Fitokonana Ny Toeram-pitrandrahana Varahina Escondida

Nahatonga ireo mpiasa ao amin'ny orinasa varahina lehibe manerana izao tontolo izao hanomboka fitokonana 12 andro lasa izay ny fiakaran'ny vidin'ny varahina iraisampirenena . Mitaky karama tsara kokoa izy ireo. Ny alina lasa teo, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany miisa 800 no nifandona tamin'ireo mpitandro ny filaminana niezaka handrava ny fitokonana.

Jamaika: Vetivety Dia Mahazo Dolara Amin'ny Fanatsarana Ghetto

Naka sary ireto zatovovavy ireto i Ria Bacon tamin'ny Desambra 2006 tao amin'ny Lalàna Barbican tany Kingston, Jamaika. Araka ny fanazavany tao amin'ny bilaoginy hoe:.......

Feo Avy Ao Zimbaboe

Taorian'ny tatitra vao haingana nilaza ny fihenan'ny fihanaky ny VIH/SIDA ao Zimbaboe, nifantoka tany amin'ny fiantraikan'ny fanentanana iadiana amin'ny SIDA eo amin'ny fitondran-tena sy ny soatoavina nentim-paharazana Zimbaboeana ny maso ankehitriny.

Iran: Miteraka Fisondrotam-bidim-piainana Ny Fanapahana Ny Fanampiana Ara-bola

Atahorana hiteraka olana ho an'ireo saranga antonony marobe sy olom-pirenena mahantra ao Iran ny fampihenana goavana ny famatsiam-bola izay nitazona ny vidin'ny entana isan-karazany ho ambany.