Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Desambra, 2011
Liberia : An'Iza Ny Hadisoana Tamin'ny Fifandonana Tao Monrovia ?
Ilay asa an-tselika krismasy novolavolain'i Filoha Ellen Johnson-Sirleaf mba hanomezana tombontsoa mpianatra eo amin'ny 3.000 eo dia nivadika ho herisetra sy famotehana tao Monrovia, renivohitr'i Liberia. An'iza ny fahadisoana ? Manontany ireo mponina anaty aterineto.
Madagasikara: Adihevitra Momba ny Fampiasam-bola Mivantana
Raha mbola eo ampitadiavana ny vahaolana ialana amin'ny krizy politika miitatra i Madagasikara, miresaka ny lanjan'ny Fampiasam-bola mivantana (FDI) kosa ny bilaogera malagasy. Maro ny Malagasy no mihevitra fa manana harena voajanahary, tahaka ny firenena Afrikana hafa, i Madagasikara, saingy potiky ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fifanakalozam-barotra misy fanambakana.
Brezila : Onitra Faratampony Taorian'ny Fahanginana Momba Ilay Fiparitahan-tsolika An-dranomasina An'ny Chevron
Ny 7 Novambra, ilay "plateforme" fitrandrahan-tsolika Frade, izay an'ny orinasa Amerikana mpandavaka Chevron-Texaco, dia nanomboka namery solitany mbola tsy voahodina. Roa volana taty aoriana dia inoana fa efa voafehy ilay fiparitahana solitany ary i Chevron dia nosaziana handoa ny onitra ambony indrindra izay nofaritan'ny Manampahefana Breziliana momba ny tontolo iainana. Kanefa tsy mazava tanteraka ny mikasika ny fahasarotana sy ny momba ny loza aterak'io amin'ny tontolo iainana.