Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Janoary, 2022
COVID-19 : Tsy ho sitrana amin'ny fampiasana fanafody ratsy izany ianao
Tatitra fiarahamiasa vaovao miezaka manambatra ireo "faktiora tsy hita" avy amin'ny famahana ny COVID-19 tohanan'ny IFI, mandrakitra ireo lesoka maro, ary mametraka fanontaniana manakiana momba ny famahana ny areti-mifindra misy ankehitriny.
Hiverina ny sidina mampitohy an'i Torkia sy Armenia
Taorian’ny fihaonana tany Moskoa, nanambara ny firenena roa tonta fa hiverina amin’ny 2 febroary ny sidin’ny orinasa an’habakabaka Tiorka Pegasus Airlines sy ny zotram-piaramanidina mora vidy Moldaviana FlyOne.
Mampiroborobo ny fahalalàna nifampiampita teo amin'ny taranaka sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fifanakalozana ambioka
Ifanakalozana ny karazan-katsaka sy ovy, ankoatra ireo sakafo hafa, mandritra ny fotoana fanaovana izany, mba hiverenana amin'ny fomba nentin-drazana amin'ny fihinanana azy.
Fatiantoka ho an'i Wisconsin ny fahazoan'i Lagos fiaran-dalamby
Nanakatona ny fifanenjehana ara-politika ifanaovan'ny Demaokraty sy ny Repoblikana any Wisconsin ny fividianan'ny Fanjakan'i Lagos ao Nizeria ny lamasinina tsy nampiasaina nandritra ny folo taona.
Fientanentanana, ahiahy momba ny fiarandalamby vaovao indrindra ao Japana
Manontany ny vahoaka hoe tena ilaina ve ny zotra vaovao shinkansen Kyushu Andrefana, izay manasarotra ny fandehanana any amin'ny faritra sasany ary vita amin'ny ampahany fotsiny.
Lasibatry ny Minisiteran'ny Atitany amin'ny vesatra fampihorohoroana mampiady hevitra ny Kaominina Istanbul
Ity fanadihadiana ity no fifandirana farany indrindra teo amin'ny Antokon’ny fitondrana Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) sy ny Antoko mpanohitra lehibe Antokon'ny Vahoaka Repoblikana (CHP).
Nirongatra ny fihetsiketseham-panoherana fa nihintsana tsy nisy tahaka izany ny vola Lira Tiorka
Nipoaka tamin'ny tanàna maro tao Torkia ny hetsi-panoherana ny takarivan'ny 23 novambra rehefa nitontongana tsy nisy toy izany ny sandam-bola tiorka manoloana ny vola vahiny ny omalin'io.