Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jolay, 2023
Hita taratra ao amin'ny Oniversite foromporonina an'eritreritra Shanhe ny hetahetan'ny mpianatra Shinoa ho an'ny fitoviana
Naneho ny zava-misy manjavozavo amin'ny rafi-pampianarana Shinoa tsy ara-drariny izay manavakavaka ireo mpianatra avy amin'ny faritany mahantra ny Anjerimanontolo nofinofy Shanhe .
Fahafatesana sy fihaikàna ao amin'ny tanàna manan-tantara Okrainiana taorian'ny fandarohana balafomanga rosiana
Olona folo no maty ary 42 no naratra tao Lviv, tanàna feno mpizahatany, volantera sivily, ary ireo mandositra ny fibodoana rosiana any amin'ilany atsimo sy atsinanana Okrainiana.
Nitondra ho amina fanararaotana bebe kokoa ny fialàna tamin'i Taïwan ka nisafidianana an'i Shina: tafa niarahana tamin'ilay Kameroney mpikaroka, Richard Atimniraye Nyelade
Nametraka fifandraisana tamin'i Taiwan aloha i Kamerona tamin'ny nahazoany fahaleovantena, avy eo nikisaka nankany Pékin
Topimaso itodihana amin'ny fampiasana ny IA (HVO) ao Azia Andrefana sy Afrika Avaratra
Amin'ny ankapobeny, matetika mameIa hisian'ny fanarahamaso bebe kokoany fampiasana ny teknolojian'ny Haranitan-tsaina Voatr'Olombelona, ka mahatonga azy ho tena mampatahotra any amin'ireo fitondrana tsirefesimandidy.
Manome vahana vehivavy mpioty landihazo ao Pakistan ilay mpandala tontolo iainana nahazo loka
Noantsafain'ny Global Voices ny mpandala tontolo iainana Javed Hussain izay nandray ny ‘Lokan'ny vahaolana ara-toetrandro ara-drariny ho an'ny vehivavy’ noho ny asany hiaro ny zon'ny vehivavy mpioty landihazo ao Pakistan.
Arvin, Kalifôrnia: Very ny hoavy, lasa ny fanantenana, nihemotra ny fanomezan-toky
"Tsy niasa tao amin'ny toeram-pambolena intsony ny tompony. Hadinon'izy ireo ny tany, ny fofony, ny fahatsapany azy, ary tsy misy tsaroany afatsy ny fananany azy sy izay azony na veriny teo aminy sisa."