Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Mey, 2019

Nividy ampaham-pananana amin'ny lalamby ny vazimba breziliana hiantsoany fa tsy nanao ny adidiny amin'ny tontolo iainana ny orinasa

Tsy ny hahazo anjara vola no tanjon-dry zareo fa ny handrenesan'ny mpampiasa vola ny orinasa ny feon-dry zareo.

Nalaza haingana dia haingana ny lahatsarim-pampiroboroboana Leica ahitana ny fandripahana kianja Tiananmen tao amin'ny media sosialy shinoa, ary nanjavona avy eo

Voarara tsy afa-nanoratra ny voambolana "Leica" tamin'ny teny anglisy sy "徕卡" tamin'ny teny shinoa nandritra ny andro maromaro tao amin'ny Weibo ny mpiserasera.

Indonezia: Torian'i Sony Goliata i Sony Davida

Tamin'ny volana lasa teo, norahonan'ny Sony Corporation ao Japana hotoriana any amin'ny fitsarana noho ny fakàna tahaka ny marikany i Sony Arianto Kurniawan na Sony AK avy any Mega Kuningan, raha toa ka tsy manakatona ny tranonkalany manokana izay manana ny anaran-tserasera www.sony-ak.com

Shina: Fenitry ny vozon'akanjo fotsy

Ao anatin'ny tontolo Sinoa, mifandray amin'ny fomba fiainana mendrika sy mampitsiriritra ny vozon'akanjo fotsy. Ohatrinona no vola tsy maintsy azonao vao azo hosokajiana ho toy ny mpiasa manana vozon'akanjo fotsy ianao any Shina? Manome fenitra ofisialy ho an'ny olona ny tatitra vao haingana navoakan'ny Akademia Sinoa ho an'ny Siansa Sosialy.