· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Avrily, 2018

Feo avy any Zimbaboe-2

Lasa sehatra ho an'ny fipoahan'ny fankahalàna vehivavy voakiana be, izay niseho tao amin'ny parlemantan'i Zimbaboe tamin'ny herinandro lasa teo, ilay adihevitra manodidina ny lalàna vaovao, dia ny Volavolandalàna mikasika ny Herisetra an-Tokatrano izany.

30 Avrily 2018

Olona an'arivony no mety ho very asa sy voafindra toerana noho ny drafitry ny governemantan'i Filipina hanakatona ny nosy toeram-pialasasatra Boracay

Manao fanentanana ny mponina ao Boracay ao afovoan'i Filipina, ao amin'ny faritanin'i Aklan mba hanohitra ny drafitry ny governemanta  hanakatona sy "hanavao" ara-tontolo iainana ny toeram-pialasasatra malaza manerantany ao amin'ny nosy mandritra ny enim-bolana, no sady eo am-panamboarana casino roa mandritra izany.

28 Avrily 2018

Inona no itovian'ny Bitcoin, ny firohotana tamin'ny voninkazo Tulipe ary ny tsenambola nizeriana

Ny Tetezana - The Bridge

"Though tulips had no practical use and lacked fragrance and medicinal value, at the height of tulip mania investors sold their homes to purchase a single bulb. Sound familiar?" ""Na dia tsy nanana fampiasana azo tsapain-tanana aza ny tulipe ary tsy nahafa-po ny fofona sy ny lanjany ara-pahasalamana, teo amin'ny haavon'ny tulip craze, dia namidin'ireo mpampiasa vola ny trano fonenany mba hividianana jiro iray."

24 Avrily 2018

Kazakstàna: Tsangambato, Toekarena, Fananahana sy Haino Amanjery

Tsy dia mafana loatra amin’ny firesahana momba ny korontana misy ao amin’ny governemanta ofisialy ny tontolon’ny bilaogy ao Kazakstàna. Nanjary lasa lohahevitra malaza indrindra ho azy ilay fialantsasatra mahazatra amin’ny volana May, kanefa maro ihany koa ny olana hafa notaterin'ireo bilaogera.

23 Avrily 2018

Lahatsary: Ny Popcorn Shinoa Mipoaka

Nivezivezy tao amin'ny aterineto ny lahatsarin'ny teknika shinoa fanamboarana popcorn. Na dia vokatry ny fipoahan'ny voa-katsaka (amin'ny feo ping sy pop) izay mandeha tsy ankijanona aza ho an'ny maro ny popcorn ; any Shina kosa, feo hafa (bang) mipoaka no hahenoana ny fikarakarana izany.

23 Avrily 2018