
Sary fanehoana tao amin'ny Canva Pro.
Ity no fehezanteny nahazo fankatoavana nandritra ny iray tamin'ireo tranga manan-tantara indrindra tamin'ny taonjato faha-20. Ny 20 Jolay 1969, nahomby ny iraka nataon'ny NASA Apollo 11 tamin'ny figadonan’ ireo mpanamory sambon-danitra Neil Armstrong sy Buzz Aldrin teny amin'ny volana. Nitatitra tamin'ny mpanara-maso ny iraka i Armstrong raha iny nipetraka iny ilay fitaterana makeny amin'ny volana, antsoina hoe Voromahery, hoe: “Houston ô, Tranquility Base no miresaka aminareo. Nigadona ny Voromahery.”
Nanamarika ny fahatanterahan’ny ezaka nandritra ny taona maro ny teniny, sady zava-bita lehibe tamin'ny Hazakazaka an’Habakabaka teo amin’i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika nandritra ny vanim-potoan’ny Ady Mangatsiaka. Ankoatra izany, nalaza be ho an'ireo mpijery sarimihetsika tany an-toerana ny sarimihetsika Ady Lehibe Britanika 1976, “Nigadona ny Voromahery,” mitantara ny teti-dratsin’ilay alemà hamono an'i Winston Churchill.
Nanomboka teo, nanjary fomba fiteny malaza io teny io maneho ny fahatanterahan’ny fahombiazana – indrindra raha sarotra izany.
Raha ny fanehoan-kevitr'ireo mpiseran’ny media sosialy tao amin'ny X (Twitter teo aloha) tamin'ny andiam-panehoan-kevitra an-tsary mampiseho ilay voromahery migadona eo amin'ny sary famantarana ny banky isan-karazany, noheverina ho toy ny iray amin'ireo fotoan-tsarotra ho an'ny andro fandraisam-bola tao Trinite sy Tobago izany:
For those who wanted the images of all the banks to make stickers🤣🤣 You’re welcome https://t.co/PKK9HYkZXW pic.twitter.com/AuA2erTVEN
— Trevon (@EJChristmas) November 22, 2023
Ho an'ireo izay naniry ny andian-tsary rehetra hanaovana sticker🤣🤣 Tongasoa ianareo
Nahafinaritra ho an'ny mpaneho hevitra ny fahafahana manamboatra sticker avy amin'ireo endri-tsary nalaina. Isaky ny manakaiky ny faran'ny volana – indrindra rehefa Krismasy, ka misy ny fandaniana fanampiny amin'ny fanomanana any an-tokantrano, ny fialamboly ary ny fanomezana – dia manara-maso akaiky ny bankiny an-tserasera ny mpiasa mba hijereny hoe rahoviana ny mpampiasa azy ireo no handefa ny karamany. Mandefa hafatra amin'ny mpiara-miasa aminy izy ireo amin'ny hafatra toy izao rehefa tonga ao amin'ny kaontiny ny volan’izy ireo:
— Marie Hull (@MariefHull) November 22, 2023
Miovaova arakaraka ny banky anefa ny hafainganan'ny fizotry ny tambajotra Automated Clearing House (ACH), izay mitantana ny fandefasana vola elektronika. Mety ho tampotampoka eo ny fotoana eo anelanelan'ny fandefasana sy ny fandraisana ny vola, ary misy aza banky iray manokana voalaza fa mitaredretra amin'ny fandefasana vola. Araka ny filazan'ny mpiasan'ny Banky Foibe teo aloha, ho kivy izay rehetra manana kaonty ao amin'io banky manokana io rehefa tonga ny faran'ny volana. Tsy vitan'ny hoe izy ireo ihany no farany mandray ny karamany, fa mbola izy ireo ihany koa no farany amin’ny fomban’ny birao mampahafantatra ny namanao amin’ny fomba mahazatra rehefa “tonga ny voromahery”, noho izany, misy vola azo handoavana faktiora sy “ny hiarahana miaraka amin’ny namana“
Nanomboka nanao fangatahana ny olona raha vantany vao nivoaka tamin'ny aterineto voalohany ny sary famantarana ireo banky nahazoana aingam-panahy avy amin'ny voromahery:
— Trevon (@EJChristmas) November 23, 2023
😭😭😭🤧🤧 pic.twitter.com/oVyEKsnm8X
— Trevon (@EJChristmas) November 22, 2023
Lasa anisan'ny nandray anjara mihitsy aza ny banky vahiny sasany:
Say no more😂 pic.twitter.com/oA8fAOsN8s
— Trevon (@EJChristmas) November 22, 2023
Aza miteny intsony😂
Isaky ny tara ny fahatongavan'ny vola dia namboarina ilay teny mba hifanaraka amin’izany toy ny hoe: “Mbola eny ambony hazo ny voromahery”, ohatra – ary miova ho vorona tsy dia mahavariana loatra tampoka teo ilay voromahery amin'ny tranga izay tsy misy fiovany ny vola andrasana:
My boss asking if We could get it with a corbeaux 😩
— Jen (@jaalove11) November 22, 2023
Manontany ahy ny lehibeko raha azo ovaina goaika izany 😩
Goaika no anarana hiantsoana ny Vaotoro Amerikana Mainty any an-toerana, vaotoro mivelona amin'ny fatim-biby — izay sisan'ny rehetra. Nahatsiaro indray mandeha ilay mpiasan'ny banky teo aloha izay niresaka tamin'ny Global Voices fa “Nigadona ny picoplat.” Picoplat no hiantsoan'ny Trinbagoniana ny Seedeater Mivolombatolalaka, vorona kely mihinana voa maina.
Talohan'ny nandefasan'ny mpisera X ny fanambàrana ny sarin'ny voromahery/banky, nampiasa kisarisary mahatsikaiky ny mpisera aterineto sasany mba hilazana ny toe-bolany rehefa faran'ny volana:

Kisarisary mahatsikaiky nampiasaina niaraka tamin'ny lafika Canva Pro.
Marobe ny fankasitrahana nasehon’ireo mpiseran’ny media sosialy tamin'ny andiam-panehoan-kevitra, nisy ny olona niteny toy ny hoe “Manao ny asan'ny Tompo 🙏🏿,” “Tena marina ianao amin'izany 😭,” ary ny hoe “Tonga ny medaly nasionaly.”
Amin'izao fotoana izao, nanjary lasa miavaka kokoa — sady feno famoronana kokoa ny fifandraisana amin’ny samy birao rehefa faran'ny volana any Trinite sy Tobago.