Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jolay, 2015
Manainga Fanahy Ireo Mpanao Sary Mahatsikaiky Ny Resabe Momba Ny Kolikoly Ataon'ny Praiminisitra Maleziana
Niseho ny tenifototra #1MDBMovies taorian'ny nilazan'ny tatitry ny Wall Street Journal fa vola mitentina 700 tapitrisa dolara Amerikana no nafindra any amin'ireo kaontim-bankin'ny Praminisitra Najib Razak.
Olan'i Gresy Manosika Ireo Foko Grika Sasantsasany Hiverina Amin'ilay Nosy Tiorka Niaviany
Ifampizaràn'ny Grika sy Tiorka ny fitiavana sy ny rehareha noho ilay nosy mahafinaritra antsoina hoe Gökçeada ho an'ny taloha ary Imbros ho an'ny taty aoriana.
Maninona ireo Zokiolona Ao Singapore No Mbola Manangona Baoritra Ihany?
Tao anatin'ny tapa-bolana, lasa lohahevitra malaza be Tao Singapore ny momba ireo zokiolona mpanangona baoritra, taorian'ny hadisoana nataon'ny minisitry ny fitondràna
Tsy Voatery Hanaraka Ny Lalàna Momba Ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ny Twitter Hoy i Rosia
Nambaran'ireo manampahefana fa afaka tsy miraharaha ilay lalàna vaovao manomboka hanan-kery amin'ny 1 Septambra izao ny Twitter, lalàna izay mitaky ny mpanome tolotra ety anaty aterineto hanangona ny angon-drakitra rehetra momba ireo Rosiana mpampiasa azy ho ao anaty lohamilina any Rosia
Fomba Iftar nentindrazana tsy lany hamamiana ao Bangladesh an-tsary 12
Lasa latabatra misokatra ny araben'ny lalamben'i Bangladesh mandritra ny iftar, sakafo rehefa mody masoandro mandritra ny volana fifadian-kanina islamika izay efa vita tanteraka ny tamin'ity taona ity.
Kiobà Eny, Google Tsia: Tsahoana ho Toherin'ny Manam-pahefana Kiobàna Ny Tolotra Wifi Maimaimpoana Omen'ny Google
Amin'ny tenin'ilay mpanao gazety Orogoaiana Fernando Ravsberg, izay monina ao Havana hatramin'ny taona 1990. "Nilaza izy ireo fa raha goavana loatra ny fanomezana, na ny mahantra aza mety hiahiahy."
Olana Telo Mikiky Ny Filoha Nalaza Indray Mandeha Tao Chile
Ahoana no hiatrehan'ny Filoha Michelle Bachelet ny tsy fankatoavana ny fitondrany misy amin'izao fotoana izao, ary afaka hiatrika marina miaraka ny kolikoly izay mandrahona ny fahafahany mitondra ve izy?
Fikarohana Nahomby Nataon'ireo Mpianatra Siantifika Burkinabe sy Borondey Iadiana Amin'ny Tazomoka
Nitondra anjara biriky goavana amin'ny fampihenana ny iray amin'ireo aretina mahafaty indrindra ao Afrika ireo mpianatra roa avy ao Afrika: Moctar Dembele sy Gerard Niyondiko.
Manao Ahoana ny Fiantraikan'ny Krizy eo Amin'ny Olo-tsotra ao Gresy
Miantraika eo amin'ireo mpandraharaha madinika an'arivony sy ny mpanjifan'izy ireo ny krizy ao Gresy.
Nofy Tsy Ho Tanteraka Ny Hahitàna Efitrano Ho An'ny Tena Samirery Ao Hong Kong
Na ohatra aza ianao nahazo ny loka fanome amin'ilay lalao fisarihana lehibe indrindra ao an-tanàna, mety tsy hahavita hividianana efitrano akory ilay vola anjaranao.