Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Septambra, 2015
Toekarena: Fandraharahàm-Behivavy Miasa Ho An'ny Fampandrosoana Afrikàna
Hatrany hatrany ireo fiarahamonim-pirenena ao Afrika, ary indrindra fa ny vehivavy, dia maniry ny handray anjara amin'ny fitomboana ara-toekarena amin'ny alàlan'ny fandraharahàna
“Nandositra” Ny Mpandraharaha Ambony Iray Ao Hong Kong. Manontany Ny Mpiserasera Shinoa hoe, Nahoana Kosa Izy No Tsy Tokony Handositra?
Tamin'ny lahatsoratra izay voafafa avy hatrany, nanaratsy an'i Li Ka Shing noho izy namindra ny fandraharahanany ivelan'i Hong Kong sy Shina tanibe ny mpandini-draharaha'ny governemanta Shinoa.
Arantin'ny mpisera Twitter manerantany ny sakafo okrainiana hita any am-pivarotana ao amin'ny toerana misy azy
Niangavy tamin'ny mpanjohy azy ny minisitry ny fambolena ao Okraina hamoaka sary ireo vokatra avy ao Okraina hita any amin'ny mpivarotra voka-pambolena sy fiompiana manerana izao tontolo izao hampisehoana ny fahalavitana tongan'ny voka-pambolena aondran'ny firenena any ivelany.
Inona No Iraisan'ny Hetsi-panoheran'ny Mpamily Fiarakaretsaka Ao Lisbonne Sy Jakartà ? Uber!
Manao fanamby hametraka ny fotokeviny momba ny fandraharahana amin'ny fiarakaretsaka manerana izao tontolo izao ny Uber. Tena henjana ny fanehoankevitr'ireo Portiogey mpamily fiarakaretsaka : amin'ny fanaovana hetsi-panoherana. Ny mitovy amin'izany no mitranga ao Indonezia.
Sary Maneho Ny Dona Ratsy Ateraky Ny Zavon-tsetroka Ao Azia Atsimo Atsinanana
Satria mandefa zavon-tsetroka matevina eny ambonin'i Indonezia, Malezia ary Singapaoro ny doro ala, lasa lamaody ny tampin'orona ho an'ireo mivoaka ivelan'ny tranony.
Nahoana No Heverin'ny Sasany Ho Hevitra Ahitàna Olana Ny ‘Marika Jamaika’
"Lasa resaka fiatsaram-belatsihy ilay izy, hoe na teo aza ilay tantara nisy fanandevozana sy fanompoana tsy misy fanajana ny maha olona...mbola tia hanitatra izany resaka fametrahana marika izany ihany i Jamaika amin'izao taonjato faha-21 izao."
Siriana Mpitsoa-ponenana Maniry Fanangonam-bola Ho An'ny Toeram-pisakafoanany Ao Brezila
Manao izay hanatanterahana ny nofinofiny vaovao Breziliana ilay Syriana mpitsoam-ponenana Talal Al-Tinawi, amin'ny fanangonana famatsiam-bola mba hanokafana toeram-pisakafoana Syriana-Libane, mba hizaràna ny fitiavany mahandro amin'ireo eo an-toerana.
Tonga ao Azia atsimo-atsinanana noho ny doro ala mamaivay ao Indonezia indray ny zavon-tsetroka
Setroka avy amin'ny doro ala ao Indonezia no mitarika lanitra tsy hialan-javona ao Malayzia sy Singapaoro. Mamaly amin'ny alalan'ny ahiahy sy ny vazivazin'ilay "Mpihazakazaka Zavon-tsetroka" ireo mpiseraseran'ny media sosialy.
Ao Thailandy avaratra, ahafahan'ny vehivavy voafonja manarina ny fiainana indray ny fianarana manotra
Isan'andro dia misy filaharam-panjifa, ary mpizahatany ny ankamaroany, manao famandrihana hohorina ao amin'ny Toby Fiarenana. Feno vetivety ny toerana, ary maro ireo lazaina hiverina ny ampitso fa tsy araka intsony.
Afa-manadio ny kolikoly any amin'ny orinasam-panjakana ao Shina ve ny fanomezana azy amin'ny tsy miankina?
Liu Shengjun,pahay toekarena malaza sady mpitari-kevitra, nonahasahy niantso ho amin'ny fanolorana ho an'ny tsy miankina ny orinasampanjakana, hevitra fady eo anoloan'ny fikirizan'i Shina amin'ny fananana iombonana.