Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Janoary, 2016
Côte d'Ivoire: Ireo Fanamby sy Fotoana Fanararaotan'ireo NTIC
Misokatra ireo vodilanitra vaovao eo amin'ny sehatra maro ao Côte d'Ivoire, miaraka amin'ny fidirana haingan'ireo teknolojia vaovao an'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (NTIC). Hatramin'ny 2012, tetikasa maro no natomboka ka isan'ireo lehibe indrindra amin'izany ny fametrahana ny fibra optika 7.000 km manerana ny firenena iray manontolo.
Miroborobo Ny Angovo Avy Amin’ny Masoandro, Saingy Hipaka Any Amin'ny Tena Mila Izany Ve?
Mandady miakatra tsimoramora ny angovo azo avaozina, miasa hitondra ny tombontsoany ho an'ny olompirenena 300 tapitrisa tsy mahazo herinaratra ireo mpanoka-draharaha.
An-tsary: Manangona Siran-dranomasina Manjelajelatra Anaty Siny Ny Tantsaha Ao Myanmar
Efa maro amin'ireo mpamokatra sira ao Myanmar no nifindra monina tany amin'ny firenen-kafa mba hanana fiainana tsara kokoa Mampiseho ny fikarakarana sira manerana ny morontsiraka atsimo-atsinanan'i Myanmar ireto sary ireto.
Tahotra Ny Amin'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Any Hong Kong Aorian'ny Fividianan'ny Alibaba Ny South China Morning Post
Manahy ireo mpanao gazety any Hong Kong fa ilay gazety, izay efa notsikeraina fa mpomba an'i Beijin taona vitsivitsy izay , no hanjary mpitondra tenin'ny governemanta any Shina.
‘Manao Fotsy Hoditra Fotsiny Ianao Dia Mandresy’ Dokambarotra Voatsiny Ho Mpanavakava-bolonkoditra Tao Thailandy
"Milaza ny dokambarotra Thailandey iray fa afaka ho mpandresy ianao raha fotsy hoditra. Ity no dokambarotra mpanavakava-bolonkoditra indrindra hitako hatramin'izany."
Rosiana Mpijirika No Tao Ambadiky Ny Fanapahana Herinaratra Tao Okraina, Hoy Ireo Mpikaroka

Heverina ho nataon'ireo Rosiana mpisovoka ilay voalaza fa fanafihana ny aterineto izay nitarika fahatapahan-jiro vonjimaika tamin'ny herinaratra Okraniana, araka ny filazan'ireo mpikaroka Amerikana.
Mali: Mikononkonona Ankivy Amin'ny Orange, Orinasa Goaibe Marorantsan'ny Antso Amin'ny Finday, Ireo Mpanjifa Tezitra
Misavorovoro ny tontolon'ny bilaogy Maliana tato ho ato ! Ny antony ? tsy faly amin'ny tolotra omen'ny orinasa goaibe marorantsana frantsay Orange ny mpanjifa. Nanapa-kevitra ny hanao ankivy amin'ny tolotra omen'io orinasa misandrahaka any amin'ny firenena afrikana 16 io ireo mpanjifa tamin'ny voalohan'ny volana desambra 2015.