Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Febroary, 2011
Yemen: tonga amin'ny mangotrakotraka? (Video)
Ny Filohan'i Yemen, Saleh dia nanomboka nandefitra tamin'ireo mpanohitra, tamin'ny fanomezana baiko ireo hery fiarovana ny mba hiarovana ny mpitolona. Nefa toa tsy vonona ny handray izany teniny izany ny ankamaroan'ny olona. Mandritra izany, mitohy ireo tolona goavana manohitra ny fitondràna. Mety ho voatsapa ny fahatsaram-panahin'ny governemanta amin'ny diabe nomanin'ny mpiaro ny fitondràna any amin'ny renivohitry ny firenena amin'ny Zoma.
Arabia Saodita: Ny fiverenan'ny Mpanjaka Abdullah
Niverina nody ny mpanjaka Saodiana Abdullah bin Abdulaziz omaly alarobia 23 febroary 2001, taorian'ny telo volana nitsaboana tena tany ivelany . Nanomboka tao amin'ny Hopitaly Presbyteriana ao New York ao Etazonia ny...
Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana
Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana sy ny hampanginana ny feon'ny mpanohitra. Ireto misy fihetseham-po avy amin'izao tontolo izao manaraka ny fandehan'ny revolisiona eo amin'ny faritra
Ombay mitady: Mila Zaza Marobe i Singapore
Nahatratra ny fetra farany ambany 1,16 % ny taham-pahaterahana any Singapore. Mba hampitomboana ny isan'ny mponina, nandroso soso-kevitra ny governemanta ny hampitomboana ny isan'ireo vahiny tonga miasa sy monina any ary mba hampivoarana ity tanàna-fanjakàna kely ity. Ireto ny valinkafatra avy amin'ireo mpitoraka bilaogy
Bahrain: Fanomezana $2,650 ho an'ny fianakaviana Bahraini tsirairay avy
Ho fanamarihana ny tsingerintaona faha-10-n'ny “National Action Charter“, nanambara ny Mpanjakan'i Bahrain Hamad fa omena fanomezana BD1,000 ($2,650) ny fianakaviana Bahraini tsirairay avy. Raha efa maminavina ny tetibola ho azony...