Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Aogositra, 2014
Mafy Tsara Ve Ireo Sazy Avy Amin'ny Tandrefana Ho an'i Rosia?

Mbola namely mafy an'i Rosia tamin'ireo sazy faran'izay henjana ihany ny tandrefana, nilaza fa tena lasa zava-dehibe tokoa ankehitriny ny fitohizan'ny fanampian'i Rosia ireo mpisintaka any atsinanan'i Okraina. Fa mafy tsara ve anefa ireo ?
Niteraka Adihevitra Ny Fiara Kelin'ny Papa Fransoà Tao Korea Atsimo
Nofaranan'ny Papa Fransoà tao Korea Atsimo ny fitsidiham-pitokanana ataony, izay niteraka resabe tamin'ny fampahalalam-baovao ny fomba fisehoan'ity lehiben'ny Katolika ity imasom-bahoaka, anisan'izany ny hoe eveka mandeha amin'ny fiara kely tsotsotra, fa tsy amin'ny fiara berline maharo amin'ny bala.
52 Taona Aty Aoriana, Ahoana Ny Fijerin'ny Jamaikana ny Fetin'ny Fahaleovantenany?
Mbola mitoetra ho zana-tohatra voalohany mila andalovana ny fanabeazana ny vahoaka izay ara-tantara dia tsy nanan-jo hiteny mihitsy hatramin'izay, indrindra ao anatin'izao toe-draharaha efa manakenda sahady amin'izao fotoana izao.
Miantraika Amin'ireo Mpiasa sy Mpivezivezy Ny “Adin'Haban-dalana” Eo Amin'i Singapore Sy i Malayzia
Niakatra 400 isanjato tampoka ny saran'ny fiampitàna ao amin'ny Fefilohan'i Singapore-Johor taorian'ny fampakaran'i Malayzia sy Singapore ny haban-dalana.
Tsy Ara-dalàna Intsony Ity Dokam-barotry Ny Hena Ao Rosia Ity

Noraràn'ny Rosiana ilay dokambarotra momba ny vokatra hena Ostankino satria voalaza fa manitsakitsaka ny lalànan'ny dokambarotra.
Diso Ambany Loatra Ny Karama Farany Ambany ao Meksika. Mifanaraka Amin'ny Lalàmpanorenana Ve Izany?
Mitovy amin'ny 5 dolara Amerikana ny karama ambany indrindra ao Meksika. Inona no azonao vidiana amin'izany?
Famatsiana Vola Ny Toekarena : Rehefa Ny Fironana Amin'ny Tsenam-bola No Manavotra Ny Tsy Vitan'ny Banky
Tany aloha, tsy mahita sitraka mihitsy eny imason'ny rehetra ireo banky, ampangaina ho tendan-kanina loatra talohan'ny olana ara-bola, ary ankehitriny indray tsy manam-pahavononana...
Tsy Mila Ny Uber (tolotra-taxi) Intsony i Seoul, Saingy Mbola Aza Apetraka Ny Findainao
Noraràn'i Seoul ny Uber ary mikasa hamoaka ny fampiharana finday azy manokana hoan'ny tolotra-taxi i Seoul. Iza no mahazo tombony amin'izao fanovana izao?
Shina No Manara-maso Ny Aterineto Dia Ny Vahoaka No Manefa Ny Sarany
Ambaran'ireo manampahaizana fa nomena endrika hanampiana ny governemanta hanenjana bebe kokoa ny ampihimamba atao amin'ny fanehoankevitry ny daholobe ety anaty aterineto ilay “indostrian'ny fikolokoloana ny fahamarinan-toerana” nandaniana vola be yuans mitentina an-davitrisa maro -- sady natao hitadiavan-tombontsoa.