Ao anaty fitotonganan-toe-karena, antsoina hoe ‘relika’-n'ny foibe ara-bola iraisampirenena i Hong Kong

Ny ivon'ny Fitantanam-bola Iraisampirenena, Distrika Afovoany ao Hong Kong. Mpanoratra: Mstyslav Chernov. Tao amin'ny Wikimedia Commons nahazo alalana avy amin'ny Creative Commons Attribution-Share Alike 3.0 Unported.

Nopetahana anarana ho “zava-masin'ny (sisa miangana) foibe ara-bola iraisampirenena (IFC)” i Hong Kong tao amin'ny media sosialy Shinoa ary nijoro haingana nanohitra izany filazana izany ireo tompon'andraikitry ny tanàna, nanantitrantitra ny faharetan'ny toekaren'ny tanàna.

Manondro ny tsy fahombiazan'ny tsenam-bolan'i Hong Kong ny anaram-petaka. Nilatsaka 36 isanjato tao anatin'ny telo taona izay 25400 teo ho eo tamin'ny volana Jolay 2020 ka lasa 16200 eo ho eo tamin'ny volana Desambra 2023 ny Tondro Hang Seng, tondro momba ny zava-bitan'ny tsenam-bolan'ny tanàndehibe, raha nahitàna fitomboana lehibe nandritra io vanim-potoana io ny zava-bitan'ny tsenam-bolan'ireo tanàna Aziatika hafa, anisan'izany i Singapore, Taiwan, ary Tokyo.

Tamin'ny 6 Desambra 2023, nihoatra ny sandany tamin'ny volana Jolay 1997 ny Tondro Hang Seng. Avy eo, tsy ny HK ihany no naverina tany Shina, niaro mafy an'i Hong Kong tamin'ny Krizy Ara-bola Aziatika ny Praiminisitra Zhu. Nialonan'izao tontolo izao ny am-polon-taonan'i Hong Kong nahafinaritra, amin'ny maha foibe ara-bola ivelan'i Shina azy, ary…

Nipoitra tao amin'ny Weibo tamin'ny volana septambra teo amin'ireo mpampiasa vola Shinoa tanibe ny andian-teny hoe “sisa tavelan'ny foibe ara-bola iraisampirenena”. Nilaza tao amin'ny Weibo ohatra ny mpiasa ambony ao amin'ny Banky momba ny Fambolena ao Shina hoe:

香港股市已经成为“鸡肋”,尤其是香港创业板指数!香港金融市场衰落是谁的责任!?没有一个中国人愿意看到香港衰落,但香港股市不行,金融市场不行,就是事实上的衰落!如果香港股市再跌,香港就会变成“亚洲金融中心遗址”。那样的话,真就像当年有人说的:“香港在我们手里搞坏了,我们就是罪人”。 ​

Nanjary tsy maha-te-ho-tia mihitsy ny tsenam-bolan'i Hong Kong, indrindra fa ny Growth Enterprise Index (Tondro Fitomboan'ny Orinasa). Iza no tompon'andraikitra amin'ny fitotonganan'ny tsena ara-bolan'i Hong Kong? Tsy misy Shinoa na iray aza te-hahita ny fitotonganan'i Hong Kong, saingy ny tahirim-bolany sy ny tsenam-bolany no tena mitotongana. Raha mbola mitohy mitotongana ny tahirim-bola, dia ho lasa “Relikan'ny Foibe Ara-bola ao Azia” i Hong Kong. Raha mitranga izany, dia tanteraka ilay fanambarana [nataon'ny praiminisitra Shinoa teo aloha Zhu Rongji] hoe: “Raha manimba an'i Hong Kong isika, dia isika no mpanota.”

Niparitaka anjotra haingana avy eo io fehezanteny io ny faran'ny volana Novambra rehefa nanomboka nampiasa ny teny ireo mpisera media sosialy Shinoa amin'ny fipaingorana ireo sary nalaina tao amin'ny distrika Foiben'i Hong Kong.

Pikantsary misy farangon-teny “relikan'ny IFC” avy amin'ny sehatra media sosialy Shinoa tanibe “Xiaohongshu” tamin'ny alàlan'ny pejy Facebook poorLhk

Mampiasa ireo mpamoron-tsary haranitan-tsaina voatr'olombelona (IA) ihany koa ireo mpisera aterineto sasany mba hanehoana ny firodanan'i Hong Kong amin'ny tanjaka ara-bola lasa “relika”. Ity ambany ity ny ohatra iray noforonin'ny mpisera X (Twitter taloha) @abeleung:

Teny fototra: 國際金融中心遺址 螺螄粉 熱賣

Ny ambadiky ny sary novokarin'ny AI etsy ambony ny dika tahaky ny “fanentanana Night Vibes” an'ny governemanta Hong Kong, izay mikendry hampiroborobo ny fizahan-tany sy ny fanjifana amin'ny alàlan'ny famadihana ny sisin-dranomasin'ny Hoalan'i Victoria ho tsenan-tsakafo sy fahatsiarovana an-dalambe misokatra alina.

Tsy telin'ny governemantan'i Hong Kong ny anaram-petaka. Nilaza tao amin'ny bilaoginy ny lehiben'ny sampan-draharaha ara-bola Christopher Hui tamin'ny 1 Desambra fa niverina kely 15 isanjato ny fahombiazan'ny tahirim-bolan'i Hong Kong hatramin'ny fihiboana COVID-19 tamin'ny herintaona.

Niditra an-tsehatra hiaro ny satan'i Hong Kong ihany koa ny Global Times, fampahalalam-baovaom-panjakana ao Shina:

Tsy mahajoro eo anatrehan'ny fanadihadiana lalina ny filazana ny endrik'i Hong Kong ho “rodan'ny foibe ara-bola maneran-tany”. Na dia eo aza ny fibahanana sasany amin'ny fifampiraharahana amin'ny tahirim-bola sy ny famatsiam-bola fohy ezaka IPO, dia manana fototra mafy orina sy lehibe ny tsena ara-bola ao amin'ny Faritra Ara-pitantanana Manokana

Ho fampitsaharana ireo fanesoana anjotra, nanolo-kevitra ny governemanta hifandray amin'ireo sehatra media sosialy Shinoa tanibe i Jimmy Ng, mpanao lalàna mpanohana ny eo amin'ny fitondrana, mba hanakanana sy hanivanana ireo lahatsoratra mampiseho endrika ratsy momba an'i Hong Kong .

Na izany aza, nilatsaka ny vaovao ratsy. Tamin'ny 7 Desambra, nampidina ny fitokisana an'i Hong Kong avy amin'ny mari-toerana ho miiba ny masoivohon'i Moody's iraisampirenena mpampindram-bola, manondro ny fampiharana ny Lalàna momba ny Filaminam-pirenena (NSL) tamin'ny volana Jolay 2020 sy ny fanavaozana ny fitsipi-pifidianana mankany amin'ny fiharavàn'ny fizakan-tenan'ny tanàna.

Nanakiana ny naotin'ilay masoivoho iraisampirenena mpampindram-bola ho “fanalam-baraka” ny lehiben'ny sekreteran'ny tanàna, Eric Chan, ary nanizingizina fa milamina tsara kokoa i Hong Kong amin'ny NSL sy ny fifandraisany akaiky amin'i Shina. Nampidina ny naotin'i Shina avy amin'ny mari-toerana ho miiba ihany koa ny Moody's noho ny krizy ara-bola sy ara-panananan'ny firenena amin'izao fotoana.

Niditra tamin'ny onjam-peo androany maraina ny lehiben'ny sekretera Eric Chan mba hanameloka ny fampidinan'i Moody's voninahitra:

• manoso-potaka an'i HK ny masoivoho vahiny mpanome naoty ara-bola

• Misoroka ireo “Tandrefana mpangalatra” ny NSL sy ny rafi-pifidianana nohatsaraina

• Mampiseho ny fangatahana visa talenta 180.000 fa mbola manana tsena mahasarika i HK

Taorian'ny fanafoanana ny fihiboana nandritra ny valan'aretina tamin'ny fiandohan'ny taona 2023, nanantena fanarenana lehibe ho an'ny toekaren'ny tanàna ny governemantan'i Hong Kong. Na izany aza, nihisatra ny fitomboana.

Nandao faobe ny tanàna ireo mana-talenta arak'asaambany dia ambany ny taham-piterahana, tratran'ny fanantenana mifanipaka eo amin'ny tompon-trano sy ny mety ho mpividy trano momba ny politikan'ny trano ny governemanta, ary faran'izay ambony ankehitriny ny fatiantoka ara-bola.

Nanomboka niloa-bava ny sehatry ny fandraharahana fa mety ho tanteraka ny “faminaniana relìka”. Tamin'ny volana Oktobra, nilaza i Frederick Ma, sekretera teo aloha tao amin'ny sampan-draharaha ara-bola sy ny tahirim-bola fa ratsy kokoa noho ny zava-nitranga tamin'ny taona 2003 fony tratran'ny valan'aretina SARS  sy ny fipoahan'ny olana momba ny fananana sy ny aterineto ny tanàna ny krizy ara-toekarena amin'izao fotoana.

Vao haingana kokoa, nilaza i Shih Wing-ching, mpitondrateny sahy maneho hevitra ao amin'ny sampan-draharahan'ny fananana ao an-tanàna fa raha tsy mahavita misarika renivola renivohitra tandrefana hiverina ao an-tanàna i Hong Kong, dia ho rava ny tsena.

Nilaza ihany koa ny sasany fa manome lanja be loatra ny fiarovam-pirenena ny tompon'andraikitra ao an-tanàna ka manalavitra renivola vahiny. Saingy raha tokony hankatòa izany, dia nanantitrantitra ny Lehiben'ny Mpanatanteraka John Lee fa “mbola miditra an-tsehatra ao Hong Kong ny hery ivelany.”

Ho setrin'ny fitotonganan'ny toe-karena ao an-tanàna, nosokajìny ho “fanoherana malefaka”, voambolana ampiasaina hamaritana izay fihetsika mihantsy ny manampahefana, ny adihevitry ny daholobe momba ny politika ara-tsosialy sy ara-toekarenan'ny tanàna:

Nilaza i CE John Lee fa “fanoherana malefaka” ny filazana fa mifantoka tafahoatra amin'ny fiarovam-pirenena ny governemantan'i Hong Kong. “Fanoherana malefaka” ihany koa, hoy izy, ny fanakianana ny politika ara-toekarena sy ny fampiatranoana.

Miomana hamoaka andiana lalàm-pilaminam-pirenena ao an-tanàna ny governemantan'i Hong Kong ho fanampin'ny NSL napetrak'i Beijing tamin'ny taona 2020 mba hanakanana ny “fanoherana malefaka” amin'ny taona 2024.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.