· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Desambra, 2017

Japana: Tonga Any Tokyo Ny Torolalana Michelin

  31 Desambra 2017

amin'ny 22 Novambra 2007, namidy ilay Torolalana Michelin any Tokyo noresahana be. Tsy afaky ny ho diso lalana mihitsy ianao any Japana miaraka amin'ny fitambaran'ny fifangaroana Frantsay sy zavatra mahaliana ara-tsakafo. Mazava ho azy, nandritra ireo andro talohany sy taorian'ny namoahana azy, nihazakazaka mihitsy aza ny media Japoney mba handrakotra ilay hetsika sy ilay torolalana tenany, ilay boky mpanoro lalana mankany amin'ny trano fisakafoanana sy hotely malaza indrindra, nozarain'ilay orinaa frantsay mpanamboatra kodiarana Michelin

Brunéi : Amidy Anaty Bilaogy Koa Ny Mofomamy

  18 Desambra 2017

Momba ny sakafo mahasalama aho. Tsy mampiasa akory mpitahiry, hanitra na loko voatrolombelona aho ao anatin'ny mofomamiko. Tena hanitra avy amina voankazo tena izy, tahona lavanila tena izy, sôkôla tena kakaô, toy izany koa ny kafe sy ireo voan-javatra maro samihafa, no ampiasaiko.

Ny Paositra Ao Rosia

  10 Desambra 2017

Eo amin'ny adiny folo eo ny mandeha fiarandalamby mankany Kyiv, Okraina raha miala ao Moskoa, Rosia. Saingy ny taratasy alefa amin'ny Air Mail avy ao Moskoa dia tsy tonga any Kyiv raha tsy efa ho folo andro.

India: Fanakambanana, Fahazoana Orinasa Ary Teknolojia

  06 Desambra 2017

Tsy mitombina ny fametrahana ny herin'ny India eo amin'ny fifanarahana goavana fanaon'ny orinasa samihafa eo an-toerana, tahaky ny Tata-Corus, raha tsy manaraka eo koa ny fivoarana eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona, ary mbola betsaka ny fanararaotana ataon'ny orinasa avy any ivelany eo an-toerana na dia efa nivoatra ara-teknolojika aza ry zareo.

Maraoka: Kolikoly, Politika, Sy Ny Vokatry Ny Daroka Baomba

Taorian'ny namoahan'ny Los Angeles Times lahatsoratra momba ny fandaniana tamin'ny sarimihetsika Sahara 2003, izay nanasongadinana ny habetsaky ny vola naloa tamin'ny kolikoly teo an-toerana ("vola fanajana, 'hafaliam-po' sy ny 'kolikoly ao an-toerana' mitentina 237.386 dolara no navoaka tany Maraoka mba hanafainganana ny sarimihetsika "), nanome ny heviny ny bilaogera Maraokana.