· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jolay, 2017

Kolombia: Ny Fanakatonana Ny Gazetiboky Cambio

Nakaton'ny tompony ny gazetiboky Cambio, fantatra amin'ireo tatitra fanadihadiana fanaony. Fanakatonana izay lazaina fa noho ny antony ara-bola. Kanefa ho an'ireo mpanao gazety, dia antony ara-politika no nanosika ny fandraisana fanapahankevitra.

30 Jolay 2017

Masoarabo: Mitohy ny Ady an'Aterineto ao Ejipta

Taorian'ny fanelingelenana, famotopotorana ary fitazonana ny bilaogera, dia mbola mitohy ny ady an'aterineto ao Ejipta, ary tany amin'ny tena mandratra mihitsy izany tamin'ity indray mitoraka ity - ny poketra! Tahaka izao no namalian'ny bilaogera ejipsiana ny fampakaram-bidin'ny aterineto izay hatomboka amin'ny volana septambra

28 Jolay 2017

Iran:  Nitokona Ny Mpiasa Noana An'aliny

Nanomboka nitokona tamin'ny herinandro lasa ny mpiasa an'arivony tsy nandray karama tao amin'ny orinasa mpanodina siramamy Haft Tapeh ao Shoush any amin'ny faritanin'ny Khuzestan any Iran . Nandefa ny mpitandro filaminana ny governemanta mba hampiasa famoretana tamin'ireo mpiasa, kanefa mbola nitohy hatrany ny fitokonana.

24 Jolay 2017