Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Desambra, 2012
Italia : #iostoconmarco, Miaraka Amin'i Marco Pannella Manohitra Ireo Fonja Tsy Manaja Ny Maha-Olona
Tanjon'ny fitokonana tsy hihinan-kanina sy tsy hisotro rano nataon'ilay mpitarika ny radikaly italiana ny hiampangàna ny fepetra iainan'ireo voafonja any amin'ireo fonja italiana, ny hitakiana ny hampihenana ny isan'ireo voafonja ary hanomezana azy ireo ny zo ho afaka hifidy. Lohahevitra izay tokony ho hita any anaty fandaharan'asam-pifidianan'ireo antoko politka hiatrehana ny fifidianana voatondro ho amin'ny Febroary 2013.
Tongava Ao Shina Mandritra ny Krismasy Mba Hankafy Ny Fahalalaham-pivavahana!
Sampana iray ao amin'ny Antoko Komonista Shinoa, ny Global Times, izay namoaka lahatsoratra momba ny Krismasy ka manasa ireo Shinoa mpanara-baovao mpila-ravinahitra mba hoavy hankalaza ny fety ao Shina [zh] mba hahita...
Raràn'i Kambodja Ny “Cybercafé” Manakaiky Sekoly
Namoaka naoty ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Kambodjiana fa voaràra ny manorina cybercafé 500 metatra manodidina ny sekoly na trano fampianarana. Mandràra ireo cybercafé tsy handray ireo tanora latsaky ny...
Mpianatra Maro Nanao Hetsi-Panoherana Eran'i Hongria Ho Fiarovana ny Fampianarana Tsy andoavam-bola
Any Hongria, ambetin-dresaka mahaliana hatrany ao anatina ady hevitra ny rafim-pampianarana tsy andoavam-bola ho an'ny sarambam-bem-bahoaka. Tamin'ity herinandro ity, nivadika ho hetsi-panoheran'ireo mpianatra nanerana ny firenena izany ady hevitra izany.
Tonga Hatrany Anaty Fandrakofana Ny Disadisa Ny Adin'ny Media Hisarihana Mpihaino Ao Israely
Ny olana ara-bola dia manana toerana lehibe tokoa hampikororosy ny fahaleovantenan'ireo mpanangom-baovao, izay mety tsy harisika intsony handray fanamby hiatrehana ny hetahetan'ireo tonian-dahatsoratra na mpitantana an-dry zareo izay, etsy andaniny, tsy maintsy manao tatitra amin'ireo tompon'ny famoaham-baovao. Mitombo hatrany hatrany, ireo olon-tsotra mpampahalala vaovao sy bilaogera mameno ny banga amin'ny fandrakofam-baovao navelan'ireo media Israeliana mahazatra.
Espaina: Saina Sahisahy Eo Amin'ireo Tanora Mpifindra-monina
Andro vitsy lasa izay, anisan'ireo lohahevitra malaza indrindra tao amin'ny Twitter i « Marina del Corral ». Del Corral, tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministeran'ny Asa sy Ny Fiahiana Ara-tsosialy, na ny marimarina...
Fa Maninona no Tian'ny Olona ny Asam-Panjakana ao Shina?
Nahatratra hatramin'ny 1,12 Tapitrisa ny Sinoa niatrika fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, ny 25 Novambra 2012 teo, izany hoe nahitana fitomboana 150.000 noho ny tamin'ny taon-dasa, araka ny tatitry ny mpiasan'ny sampandraharaham-panjakana misahana...
Ny Perla Avy Amin'ny Media Momba an'i Afrika
Nisy ny fanatsotsorana momba an'i Afrika nifandrohy tamin'ny fanentanana #Kony2012 nataon'ilay ONG Invisible Children [Ankizy Tsy Hita]. Nisy fanentanana hafa natao avy eo ho fanitsiana ny kinendry. Efa tsy ampahafantarina intsony [en] ny...
Mpiasa An-Trano Malagasy Naolana sy Nampijaliana Tany Libanona
Noteren'ny nenintoany hifindra ho any Libanona hiasa an-trano i Marie, 14 taona. Rehefa tonga tany izy dia zary fahazarana ny nanolanan'ny mpampiasa azy. Rehefa fantany fa bevohoka izy dia noroahiny. Rehefa niteraka irery izy, dia natsipiny avy eny amin'ny rihana fahavalon'ny fanorenana avo ny zaza.
Ala Sarona Ataon'ireo Boliviana Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Resaka Patanty Goavan'ny QR Code
Azo asiana patanty ve ny fampiasàna ny "QR codes" aty Bolivia? Nifanome tànana ireo Boliviana mpikatroka mafàna fo mba hanokafana patanty iray goavana tsy manaraka ny lalàna momba ny fampiasàna ny Quick Response Codes, fantatra amin'ny hoe QR codes, ao amin'ny fireneny