Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Novambra, 2017
Bahrain: Nahoana Ny Biraon'i Al Jazeera No Nakatona?
Nambaran'i Bahrain fa vonjimaika no nanakatonana ny biraon'ny Fantsona Al Jazeera Mandeha amin'ny Zanabolana noho ny "fanitsakitsahana ireo fifanarahana arak'asa". Mihetsika amin'ny fampiroboroboana ity lahatsoratra ity ireo mpitoraka bilaogy sy mpibitsika - indrindra fa taorian'ny tsaho niely fa nakatona ny foibe any Katàra noho ny tatitra navoakany momba ny fahantrana ao Bahrain. Mandritra izany fotoana izany, milaza ny Al Jazeera fa tsy mbola nampiasa akory ny birao tao Bahrain fa inona no tena zava-nisy marina?
Planina Marshall, Haintany sy Herat
Nanazava ny antony mahatonga ny drafitra Marshall ao amin'ny fireneny tsy nahatratra ny tanjony i i Sanjar.
Ejypta: Fahombiazana
Tsy teny siantifika fotsiny ampiasain'ny Injeniera Mekanika ny teny hoe fahombiazana . Nanapa-kevitra hampihatra izany eo anivon'ny fiarahamonina ihany koa ilay Ejiptiana bilaogera Ahmed Tharwat (Ya Marakby).
Egypta : Fihazakazahana Mankany Amin'ny Volamena
Toa niantraika tamin'ny fiainan'ny olona tsirairay teto amin'izao tontolo izao ny krizy ara-toekarena izay nampihovitra ny tsena amerikana , anisan'izany ny fanapahan-kevitr'ireo mpiasa sy ny olona izay tsy manana fifandraisana amin'ny raharaham-barotra.
Hong Kong: Voarara Ilay Dokambarotra Halloween
Mikarakara fety ho an'ny Halloween mba hisarihana mpitsidika maro isan-taona ny Zaridaina Fitsangatsanganana Ocean Park any Hong Kong . Matetika anefa dia miatrika tsikera avy amin'ny vahoaka ny dokambarotra ho an'ity hetsika ity. Norarana ny sasantsasany tamin'ireo lahatsariny tamin'ity .........
Afgàna Mpatory An-dàlana i Asharaf Barati, Talohan'ny Nahalasa Azy Ho Mpandraharaha Mahomby, Manonofy Ny Hanarina Ny Fireneny
"Te-hampiasa vola any Afganistàna aho, tsy nanadino velively ny fireneko aho ary tsy afaka ny hiaina finaritra raha mahafantatra fa mijaly ny mpiray tanindrazana amiko."
Rosia: “Fanavakavahana”
Tsy vitan'ny vola na ny fotoana ihany vao afaka amboarina ny solosainao indraindray ao Moskoa fa ilaina ihany koa ny endrikao ivelany, ny faharetanao ary ny hafanam-ponao manokana . Nitatitra ilay mpisera LJ kmaka tamin'ny resadresaka vao haingana niarahana tamin'ny solontenan'ny sampan-draharaha fanohanana ara-teknika.
Paradisa Vaovao Ho An'ny Sarimihetsika Ve I Maraoka ?
Toerana ankafizin'ny mpanatontosa sarimihetsika vahiny efa hatry ny ela i Maraoka. Toy izany ny horonantsary fanta-daza La Dernière Tentation du Christ na ny Lawrence d'Arabie, sy ny horonantsary vao haingana toy ny Détention secrète na ny La Chute du faucon noir, dia samy nampiasa an'i Maraoka ho endri-tanàna avokoa.
Libanona: Dika sy Vokany
Ny hoe mahantra ao Libanona dia tsy hoe fotsiny kely ny vola miditra aminao, fa koa tsy afaka mahazo rano madio ianao, tsy afaka mandeha an-tsekoly ary tsy manana hialofana