Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Septambra, 2019
Nahenan'i Kambodza ny isan'ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe mba hisarihana asa saingy mampanahy ny mpikatroka ho manimba ny demokrasia izany
"Maneho ny tsy fahavononan'ny governemanta hampiroborobo intsony ny demokrasia ny fanesorana ny Andro Fifanarahana ho amin'ny Fandriampahalemana tany Paris sy ny Andro ho an'ny Zon'olombelona amin'ny lisitry ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe ."
Ao amin'ny tanàna iray mitsingevana any Kambodza, manalavitra tsikelikely ny sekoly ny ankizy
"Tsy afaka manenjika ireo mpianatra hafa ny sasany amin'ireo ankizy ka manapa-kevitra ny hijanona ary handeha hiasa."
Efa noderain'i Homer indray maka, mihavery hazo ka mihasola ny tendrombohitra Ida ao Torkia
Mamondrona ny heriny ny mpikatroka sy ny artista ao Torkia hiadiana amin'ny fandripahan'ny orinasa mpitrandraka ny ala.
Olona an-tapitrisany ao Assam avaratra atsinanan'i India atahorana ho very zom-pirenena
Manodidina ny 1,9 tapitrisa eo ireo olona mety hiharan'ny tsy fananana zom-pirenena ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanan'i India, Assam rehefa avy nesorina tao amin'ny Rejistra Nasionalin'ny Olom-pirenena (NRC) nohavaozina.
Hong Kong : Mihorohoro mafy ny ao amin'ny Cathay Pacific, noroahana ny lehiben'ny sendikà noho izy nanohana ny hetsipanoherana teny anaty media sosialy
"Tsy izaho irery no iharan'io. Ny sehatra iray manontolo no voadona, Hong Kong mihitsy. Rahoviana ity horohoro mafy ity no hitsahatra ?"