Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Mey, 2016
Misavoana Ambony ny Fisandratan'i Papi Jiang Olomalazan'ny Aterineto Shinoa (Vao Avy Tratran'ny Sivana)
Andro vitsy monja taorian'ny nanesoran'ny mpanao sivana aterineto ny clip nataony noho ny fiteny adala, dia nahavarotra zoro fanaovana dokambarotra 3,5 tapitrisa dolara amerikana izy teo amin'ny famoahany lahatsary isan-kerinandro.
Mandrafitra Aterineto Mizakatena Fehezin'ny Fanjakana ny Manampahefana Rosiana
Na dia mbola eo amin'ny dingana fanombohana aza ny vakiraokan-tolo-dalàna ary mety hahazo fanitsiana maromaro, raha lasa lalàna, dia ho eo ambany fifehezan'ny fanjakana rosiana tanteraka ny ain-dehiben'ny fotodrafitrasan'ny RuNet iray manontolo.
Venezoela: Fikarohana Manamafy Ny Fisian'ny Sivana Atao An'ireo Sehatra Filazambaovao, Tranonkalam-pifanakalozana Ara-Bola
Hitan'ilay fanadihadiana ihany koa fa ireo rehetra eo an-toerana mpanome tolotra aterineto mampiasa fibahanana anaran-tsehatra DNS (domain name system), teknika izay anomezan'ireo lohamilina mpanome anaran-tsehatra valiny diso ho an'ireo fangatahana ho anà sehatra iray voafaritra.
Miatrika Ny Fandriky Ny Trosa Anaty Tranonkalam-pifandraisana ireo Shinoa Mpianatra
Nilaza ny People’s Daily, izay tantanan'ny governemanta, fa tokony "hitarika ny fisainan'ny [zanany], hikolokolo ny fahalalàny ara-bola ary hampitombo ny fahatsapàny ny loza mety hitranga" ny ray aman-dreny
Noesorin'ny Akademian'ny Zavakanto Sy Siansa Ao Makedonia Ny Filazàna Ny Trosam-panjakana Taorian'ny Fanerena Ara-politika
Resaka iray mahamay ny resaka trosam-panjakana ao Makedonia, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra ao Eorôpa .
Manao Fihetsiketsehana Mitady Fanampiana Ara-Tsakafo Ny Tantsaha Filipiana Tratran'ny El Niño
"Afa-mitady voly hafa izahay hatsatoka ambolena. Saingy tsy misy na inona na inona aloha izao – vovoka amana hekitara fotsiny izay tsy mety maniry eo na dia ny ahi-dratsy aza."
Noroahan'ny Vondrona Mpanenjika Hosoka Ny Alibaba, Masiaka ireo Shinoa Mpanjifa
"Mipetraha ao an-trano. Raha avo lenta sady mora ilay hosoka azonao, hanohana anao ny vahoaka Shinoa ary tsy misy na iza na iza hanilika anao."
Taratasin'i Panama: Nandrehitra Ny Hadisoam-panantenan'ireo Indiana Fotsiny Ny Valintenin'ny Governemanta
"Mety hanampy ireo mpanadihady io, raha matotra izy ireo, mba farafaharatsiny hanombohana fanadihadiana tena matotra sy misy dikany."
Inona Ny Idiran'ny Lalao Cricket IPL Amin'ny Tantsaha Tratran'ny Haintany ao India?
Maro nahatratra hatramin'ny 3.228 ireo tantsaha matin'ny famonoan-tena tao Maharashtra tamin'ny 2015; izany hoe saika tantsaha sivy isan'andro izany.
Manohitra Ny Tolo-kevitr'i Etazonia Amin'ny Fanarahamaso Ny Tetibola Ny Pôrtô Rikana
Hoy ny vakin'ny sora-baventy tamin'ny diabe "Hidiran-trosa ny hoavinay" sy "birao mpanaramaso Ara-bola, fanandevozana ny zanatany."