Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Marsa, 2012
Puerto Rico: Gresy Vaovao Ve?
Ilay manam-pahaizana mpandalina ny ara-bola Cate Long, ao anatin'ny bilaoginy Reuters.com, dia manasongadina ny fitoviana misy eo amin'ny toekaren'i Puerto Rico sy Gresy. Nanjary lasibatry ny fanakianana avy amin'ny fitantanan'ny governoran'i Puerto Rico, Luis Fortuño, ny fandalinana nataony. Nampanakoako izany halemen'ny toekaren'ilay nosy Karibeana izany ireo tambajotra sosialy sy bilaogy maro.
Palestina: Mijaly Ny Mponina Ao Gaza Fa Tapaka Jiro Tsy Misy Solika
Folo taona mahery izay dia lasa mifameno ny voambolana "Gaza" sy "krizy". Ny hadadasiky ny krizy dia hatramin'ny ady sy fandarohana baomba sy fananiham-bohitra miaramila ka hatramin'ny fibodoana ara-miaramila, ka ny tamin'ity tranga ity kosa dia tsy misy ny solika ary tapaka ny herinaratra.
Espaina: Manohana Ve Sa Tsy Manohana Ny EuroVegas Ianao?
Las Vegas ao Eoropa… Tianao ho fantatra ve ny momba izany? Tranobe marolafy tsy mena-mitaha raha oharina amin'ny namany Amerikana izay ahitana trano filokana enina, tokontany filalaovana golf, efitra filalaovana...
Bolivia: Tolotra Matotra Hanesorana ny Fandraràn’ny Firenena Mikambana ny Ravina Coca?
Ny governemanta Boliviana dia mitady hirika iraisam-pirenena eo amin’ny fanalan-tsazy momba ny ravina coca manerana ny firenena ka tohanan’ireo mpamboly fatratra izy na izany aza anefa dia misedra fifaninana anatiny sy ivelany ihany.
Shina: Fanamelohana Ho Faty Mba Hanafenana Ny Kolikoly Ataon'ny Governemanta?
Wu Ying, voahosotra ho ny Vehivavy Shinoa faha-enina manan-karena indrindra tamin’ny 2006, dia resy tamin’ny fampakarana ny didy manameloka azy ho faty tao amin’ny Fitsarana Avom-Bahoaka ao Zhejiang.Ity ramatoa vao 30 taona ity dia nosamborina voalohany tamin’ny Martsa 2007, nampangaina ho “nanodikondim-bola” . Oiwan Lam no mitatitra.
Makedonia: Mitohy Misondrotra Ny Vidin-tsolika
Ny fisondrotana tsy mitsahatry ny vidin-tsolika no anton'ny olana maro ho an'ireo vahoaka ao Makedonia, ary ny sasany tsy misalasala miresaka ilay fihenjanana anaty hanihany
Sri Lanka : Famoretana Ny Hetsi-panoherana Noho Ny Fidangan'ny Vidim-piainana Amin'ny Anaran'ny Filaminam-Bahoaka
Mikorosofahana ny toekaren'i Sri Lanka ankehitriny, miakatra ny vidim-piainana sy ny hetra ka miteraka hetsi-panoherana marobe izany. Nandray fepetra feno herisetra ny polisy sy ny tafika hamoretana ireo mpanao fihetsiketsehana,...
Kiobà : Fomba Fijerin'Ireo Bilaogera Ilay Faha 50 Taonan'ny Fahirano (Andiany Faharoa)
Ilay fahirano nataon'i Etazonia an'i Kiobà dia namoha fanehoan-kevitra mahaliana, adihevitra sy fisaintsainana izay tsy lefin'ny fotoana : 50 taona ankehitriny ilay fahirano. Amin'ity lahatsoratra ndiany faharoa amin'ilay fizaràna roa mikasika ny fomba fijerin'ny Kiobà ilay faha 50 taonan'ny fahirano ity dia omany ny fomba fijerin''ilay bilaogera iray avy ao Kiobà sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices, Elaine Díaz.