Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2021

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Septambra, 2021

Olan'ny lasantsy ao India: Enta-mavesatra roa amin'ny fiakaram-bidiny sy ny fitomboan'ny Tinady

Satria miakatra ny vidin'ny lasantsy sy ny gazoala, dia mitombo koa ny tinady, saika mitarika amin'ny fiakaram-bidim-piainana tokoa, fanampin'izany ny vesatra ara-bolan'ny vahoaka noho ny tsy fananana asa sy ny valan'aretina.

Nanosika ny fianakaviana Armeniana ho any amin'ny fahantrana ny COVID-19

Talohan'ny nandonan'ny COVID-19 an'i Armenia, nilaza i Avetisyan fa ireo andiam-panorenana sy asa isan'andro no mamelona ny fianakaviany hihinana sy hanam-pialofana.

Fiakaran'ny maripànan'ny tany: Mivoaka eny amorondranomasin'i Egée ao Chalcidique, Gresy, ny lelon-dranomasina

Tamin'ny volana Jona 2021 ny hafanan'ny ranomasina dia nampitombo ho 28 degre Celsius ny maripana ankapobeny amin'ny Ranomasina Egée, izay nitombo 4 degre ambony kokoa noho ireo taona teo aloha.

Rosia: Voasakana ilay tranonkala malaza noho ny fitarainan'ny mpiasa

Nosakanan'ny mpanakana ny Antijob, angondrakitra an-tserasera misy ireo fitarainana tsy mitonona anarana momba ireo Rosiana mpampiasa, taorian'ny raharaha fanalam-baraka nanaovan'ny orinasa mpivarotra trano sy tany iray ao Moskoa fitarainana.

Ny taksim-bavy manokana ao Zeorzia

Tolotra taksy vaovao any Zeorzia, antsoina hoe TaxiWoman no mampanantena dia azo antoka satria natokana ho an'ny vehivavy irery ihany izany miaraka amin'ny mpamily vehivavy.

Milaza tsy hiasa ao Rosia intsony ny vondrona famoahan-gazety fanadihadiana OCCRP

Nilaza i Drew Sullivan, mpiara-manorina sady lehiben'ny fanoratana OCCRP, fa "manimba kokoa fa tsy manasoa" ireo mpitati-baovao ao Rosia ny asan-dry zareo ao anatin'ny faritra rosiana.

Vavahadin-tserasera aterineto ao Kambodza, mety hanamafy ny fanarahamaso sy ny sivana

"...ny fanarahamaso ataon'ny governemanta dia mamboly tontolo anjakan'ny tahotra, manosika ho amin'ny fanivanantena ary manohintohina mivantana ny fahafahan'ireo mpanao gazety sy mpiaro ny zon'olombelona tsy ho afaka hanao antsakany sy andavany ny asany."