Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Oktobra, 2012
Zambia: Lahatsary Fanadihadiana Ao Amin'ny YouTube Mikasika Ny Fiantraikany Ratsy Momba Ny Fitrantrandrahana Varahina
Nisy lahatsary fanadihadiana iray mikasika ny fitrandrahana varahina any Zambia sy ny fiantraikany ratsy eo amin'ny fiarahamonina nipoitra tao amin'ny YouTube ary hatreto dia nisy mpitsidika mahery ny 6.000. Taorian'ny nijereny io lahatsary fanadihadiana io, nanoratra ny mpampiasa YouTube iray, "Mitomania ho an'ny tanindrazana malalantsika. Maninona isika no hahantra raha misy vokatra misavovona sy trandrahana ao an-damosin'ny fahasalamam-bahoaka."
Madagasikara: Akory ny halafon'izany atao hoe krizy pôlitika?
Ny namana mpibalogy Razoky no mamehy ny tatitra nivoaka farany amin'ny lafiny ekônômika momba an'i Madagasikara: Depuis 2009, près de 4 millions de personnes de plus gagnent moins de $1.25/jour,...
Madagasikara: Vokatry ny fikarohana mikasika ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany
Ny praograma ASM-PACE izay sady mifantoka amin'ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany [ASM na Artisanal and Small-scale Mining] no mifantoka koa amin'ny faritra natokana hiarovana ireo zavaboahary sy...
Bangladesh: Mampanahy Amin'ny Fahampiana Ara-tSakafo Ny Fihenan'ny Fiankinan-doha Amin'ny Fambolena
Firenena mivelona amin'ny fambolena i Bangladesh. Marobe ireo mponina no miankina amin'ny fambolena ny fivelomany. Ankehitriny, 19.1%-n'ny PIB (Vokatra Ankapobe Anatiny) dia avy amin'ity sehatra ity . Navoakan'ny fanadihadiana farany...
Slovakia: Fampitahana Ny Vola Miditra Amin'ny Mpifanolo-bodirindrina Roma Sy Ny Tsy Roma
Adikan'i Tibor Blazko ireo fanadihadian'ny mpampiasa aterineto mikasika ireo olana sasany asongadin'ny Banky Iraisam-pirenena tamin'ny tatitra nataony vao haingana : ny tsy an'asa,ny haraton'aina, ny lavaka amin'ny vola miditra eo amin'ny fianakaviana Roma sy ny tsy Roma any slovakia
Espaina: Mahazo Tombony Ny Banky, Maty Antoka Ny Vahoaka
Ny orinasa mpanao fandalinana Oliver Wyman, izay mandalina ny hamafin'ny fototra ho an'ireo banky lehibe espaniôla, dia namoaka ho fantatry ny rehetra ny famintinana avy aminy: mila 50.000 tapitrisa Euro ireo banky mba hialàn-dry zareo ao anatin'izao toerana ara-toekarena mananosarotra misy azy izao. Mandalina ny toe-draharaha i Lourdes Sada ary mitatitra ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra teny anaty aterineto.
Tolo-Tanan'i Frantsa Sy Ny Banky Mondialy Hanampy Ny Firenena Afrikana Hahay Hifampiraharaha Amin'ny Harena An-kibon'ny Taniny
Ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-40 ny fifanaraham-piaraha-miasa ao anatin'ny Faribola Franc, dia namoaka taratasy iraisana ny filohan'i Côte d'Ivoire, Alassane Ouattara, sy ny minisitry ny vola Frantsay, Pierre Moscovici, hamaranana...
Frantsa : Olan'ny Fahazoan-dàlana Nanamaloka ny “Black Fashion Week”
Mba hanehoana amin'izao tontolo izao ny hamaroana lafy sy ny dindon'ny asa famoronana avy amin'ny tany afrikana eo amin'ny filatroana amin'izao fotoana, ilay Senegaly vavy mpampiakanjo, Adama Paris, dia niketrika ny "Black Fashion Week" (Herinandron'ny Haingo Mainty) izay natao tao Dakar (Sénégal) nandritra ny 10 taona. Ny andiany voalohany dia natao tany Prague tamin'ny Novambra 2011.
Mitokona ny Bazary ao Téhéran ho fanoherana ny fitontongan'ny vola Iraniana
Nitatitra ny Baztab, tranonkala ao Iran, fa nanomboka nitokona ny Bazary ao Téhéran tamin'ny Alarobia 3 Oktobra 2012 lasa teo, naneho ny fanoherany ny fitontongan'ny volam-pirenena ireo mpivarotra sy ny botika. Nahatratra ny taha...
Iran: “Avelao Any I Syria, Mba jereo Ny Aminay”
Tsy nisy tranombarotra nivoha tany amin'ny Tsenaben'i Teheran ny Alakamisy 4 Oktobra 2012, andro iray taorian'ny nanaovan'ireo mpitàna tranom-barotra sy ireo mpivarotra fitokonana hanoheran'izy ireo ny fitotongan'ny sandam-bolam-pirenena tato ho ato ny Alarobia. Namoaka lahatsary maro mikasika ireo fitokonana tamin'ny Alarobia; ny fisian'ireo mpitandro filaminana tany amin'ireo faritry ny tsenabe, sy ireo tranom-barotra nihidy ireo Iraniana mpampiasa aterineto.