· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Febroary, 2009

Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano

  26 Febroary 2009

Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa hatrany amin’ny 200 no mihoatra, nahaverezana tany sy voly antapitrisany

Ezypta: Nanohina ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ny fakantahaka

  25 Febroary 2009

Misy ve ny tranga-javatra tahaka ny maka tahaka bolongana? samy manana ny heviny ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ao amin'ny fefin'ny Facebook sy any amin'ny bolongany rehefa hitany fa maka ampahan-dahatsoratra tsy nahazo alalana tamin-dry zareo ny gazety iray. Bella Shereef ohatra nanangana vondrona iray mitory ny gazety El Shorouk noho ny...

Kazakhstan: Politika sy fiaraha-monina ao anatin’ny fotoanan’ny Krizy

  24 Febroary 2009

Mijanona ho lohahevitra lehibe ao amin’ny ady hevitra an-terineto ao Kazakhstana ny Politika – matetika loatra izany sady mafy kokoa nohon’ireo hita mivantana eny amin’ny fiananam-bahoaka. Ny iray amin’ny trangan-javatra vao haingana indrindra izay ifampiresahan’ireo mpitoraka blaogy dia ny fametrahana ny mari-pankasitrahana ho an’ny faritra vaovao – io no anarana...

Guadeloupe : Nihanafana ny toe-draharaha ka niafara tamin'ny herisetra

  19 Febroary 2009

Taorian'ny herinandro nanaovana fitakiana tamim-pilaminana tany amin'ireo departemanta Frantsay any Guadelope dia nivadika ho herisetra izany ny alatsinainy lasa teo raha nifandona tamin'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana tany Point-à-Pitre. Toherin'ny mpiasa mantsy ny fitomboan'isa tsy an-kijanona ireo tsy an'asa sy ny fiakaram-bidin'ny zavatra ilaina andavanandro izay afarana avy...

Tontolon’ny Arabo: Very eny an-dalana ny asa?

  17 Febroary 2009

Araka ny lohatenim-baovao izay milaza mazava ny faharavan’ny toekarena dia manohy ny famehezan-kibony tahaka ny governemanta ireo orinasa sy ny isam-batan’olona, ireo mpitoraka blaogy manerana an’I tontolon’ny Arabo dia miditra an-tsehatra ary manontany hoe: “ho avy eto aminay ve ny tsy fisian’ny asa?”

Narary kibo tany am-pamangina an’I Manila i “Obama”

  17 Febroary 2009

Mampiseho ny fitoviana misy eo aminn’ny Filoha Filipianina Gloria Arroyo sy ny Filoham-pirenena Americana Barack Obama ny dokam-barotry ny Televiziona Filipianina. Ilay olo-malaza ao anatin'ny dokam-barotra dia ny Indoneziana Ilham Anas Izay hita ankehitriny fa malaza satria ny fitovian-tarehy misy eo aminy sy Obama.

Korea: Fiainana tsy an'asa.

  12 Febroary 2009

Raha nanomboka ny fitotongan'ny toekarena, ny tsy fananana asa dia nanjary iray amin'ireo ambetin-dresaky ny mpikirakira aterineto. Ahoana no iainan'ny olona izany toe-javatra izany? Aspan dia mahita làlana hafa hiatrehana izay tsy fananana asa izay. 오늘로 백수가 된 지 두 달을 넘겼다. 지난해 11월 17일부러 지난 10년간 근무한 회사를 그만두게...

Sina: Ady mafy vao mba tafody hihaona amin'ny fianakaviana

  11 Febroary 2009

Dia lavitr'ezaka no mialoha ny Lanonamben'ny Lohataona fety malaza ho an'ny rehetra, Raha ny mahazatra hatrizay dia andro vitsy mialohan'ny fiandrasana ny Taombaovao Sinoa izy io no manomboka. Ary rehefa tonga indray ny fotoana hifandaozan'izy ireo amin'ny fianakaviany, dia tapitra eo koa ilay fialantsasatra fohy fa dia lavitr'ezaka hafa indray...

Goadelopy: Hetsika ara-tsosialy vaovao

  04 Febroary 2009

Roambitelopolo, efatrambitelopolo, eninambitelopolo ary izao dia roambidimampolo – ireo no isa manan-tantara tsy mitsaha-mitombon'ireo vondrona sendikaly, ara-kolotsaina sy vondrona niforona tamin'iny volana lasa iny sy ny taloha tany, miombona anaty teny faneva iray: Lyannaj kont pwofitasyon, dikanteny Kiriolona [Creole] ho an'ny hoe “Ndeha hijoro isika hanohitra izay rehetra endri-panararaotana”. Tao...