Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Novambra, 2022
Voatosika ho amin'ny famoizam-po noho ny zanabola goavana takin'ny banky ireo Indiana tantsaha
Matetika ny tantsaha any India voafingana, na avy amin'ny toetrandro mampivezivezy na avy amin'ny fanambakàn'ny fikambanam-barotra ara-bola na avy amin'ny endrika tsy rariny hafa. Nitatitra avy any Nashik, Maharashtra ny Solontenan'ny Vondrom-piarahamonina (CC) VideoVolunteers.
Moa ve mahasakana ny tondra-drano any Bangladesh ny ‘Milin-dranon'i Bengal'?
Nampiseho ny fanadihadiana vao haingana fa afaka hitahirizana ny ranon’orana tafahoatra amin’ny vanim-potoanan'ny orana manaraka ny fitarihana rano ambanin'ny tany hanondrahana ny tany fambolena ao Bangladesh.
Fatiantoka sy Fahapotehana ao Karaiba: Hitanay, Tsapanay ary fantatray izany
Tao Karaiba, nisy fiantraikany ratsy be ny olan'ny toetrandro, tamin'ny famokarana sakafo, ny fahasalamana, ny rohivoary, ny fizahantany, ny fahafahana mahazo rano fisotro, ny famokarana herinaratra, ny fitadiavana fivelomana, ny fahafahan'ny olombelona mamokatra, ireo fototdrafitrasa tena ilaina sy ny fampandrosoana ara-toekarena.
Coca-Cola, ilay mpandoto be indrindra amin'ny fako plastika, manohana ny COP27. Indro ny maha-olana an'izay
Ao anatina asa fanesoesoana goavana, ny Coca-Cola, ilay mpandoto plastika goavam-be eran-tany, no manohana ny COP27, ilay kaonferansa lehibe indrindra erantany ho an'ny tontolo iainana, izay hatao ao Sharm El Sheikh, Egipta amin'ity volana ity.
Jamaikana maro no mitebiteby. Ireto no antony
Mitatao amin'ny Jamaikana ny rivo-kerisetra sy asan-jiolahy, ka tontosainy anaty vesatra sy horohoro ny asany andavanandro.
Ho tafitan'i Jamaika amim-pahombiazana ve ny tetezamita tena ilainy mankany amin'ny angovo azo havaozina?
Tanjona sahisahy ananan' "Ilay tanin'ny hazo sy ny rano" ny hampitombo ny fampiasàna angovo azo havaozina (masoandro, rivotra ary rano) ho 30 % hatramin'ny 2030 - ka ahoana àry no fandroson'i Jamaika ?