Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2020

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Febroary, 2020

Ireo mpamatsy madinidinika sy ireo goavana mpanome baiko: manaiky ny filàna fampihavanana

Matetika ireo madinika mpamatsy entana no avy hatrany dia ahilik'ireo andianà mpanome baiko. Tanjona ny hampifandanja ireny fifandraisana ireny amin'ny alàlan'ny rafitra iray araky ny lalàna sy ny fepetra nasiana fanavaozana

Miroborobo ny voanio mena any Côte d'Ivoire, na dia eo aza ny tsy fisiany ao amin'ny firenena

Ao amin'ny tsena maresak'i Côte d'Ivoire, amidin'ireo vehivavy eny an-kalamanjana, ao anaty tavoahangy plastika ny menaka voanio mena. Avy any Afrika Andrefana no nihavian'ity hazom-boanio mena ity. 

Ampiasain'ny governemanta kroaty hamatsiana vavahadin-tserasera mampiely vaovao tsy marina ny volan'ny Fiombonambe eoropeana, kianin'ny sampan-draharaha mpanamarim-baovao izany

Vavahadin-tserasera iray malaza amin'ny fanapariahana lainga sy fankahalàna ary fitiava-tanindrazana no nahazo ny famatsiambola natokana ho fanohanana ireo orinasa madinika sy salasalany avy amin'ny tahirimbola eoropeana natao hampivoarana ny isamparitra.

Tokony hanosika amin'ny fanesorana ny sazy amin'i Sodàna ny orinasan-teknolojian'i Etazonia

Ahitana vondrom-piarahamonin'ny tanora mpisera aterineto sy tia manao zava-baovao manakaiky ny 12 tapitrisa i Sodàna ka efa tsena vonona ho an'ireo orinasan-teknolojia avy ao Etazonia, saingy tsy maintsy miala aloha ny sazy ara-toekarena

Loza mitatao ho an'ny taokanto fahagola ao Punjab, India ny sondrobidin'entana sy ny haba lafo loatra

Noho ny fiakaran'ny vidin'ny hazo avy ao Shisham, mitontongana ny lazan'ny fanaovana taozavatra vita sokitra sy raritakelaka avy amin'ny hazo ao Hoshiarpur any Punjab, India

Karaiba mandray matotra ny resaka ‘coronavirus’, manao tohivakana ny fandraràna fivahinianana an-tany hafa

Faritany marobe ao Karaiba — anisan'izany i Jamaika, Antigua sy Barbuda, Bahamas, Dominica, ary Trinidad sy Tobago — nametraka fepetra amin'ny fivahinianana mankany sy avy any Shina.

Fanavahana ireo vondrom-piarahamonina anjorom-bàla ao India tsy hahazo torohay natao ho an'ny rehetra

Asongadin' i Subhashish Panigrahi ireo fanamby sy fahafaha-manao mifandraika amin'ny fahafahan'ireo vondron'olona anjorom-bàla ao India hahazo ny torohay natao ho an'ny daholobe.

Nanomboka ny tolotra fitaterana haingam-pandeha ny zotra mampitohy an'i Yaoundé sy Douala

Miaraka aminà mpandeha 100.000 ao amin'ny InterCity, hanohy ny fiarahany miasa amin'ny governemanta kameroney ny Camrail anatin'ny fametrahana tetikasa fampivoarana ny tambajotran'ny fiarandalamby kameroney sy ny fanatsaràna ny kalitaon'ny tolotra fitaterana.