Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Septambra, 2011
Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York
Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany. Aingam-panahy avy amin'ny hetsika an-tanàna tany amin'ny firenena Arabo sy Eoropeana, mampiseho ny tsy fahafaliany ireo tanora ireo ny amin'ny fomba ataon'i...
Japana: Momba ny Solon'Anarana Malaza An-tserasera
Niteraka adihevitra momba ny fiafenana anarana an'aterineto ny fikatonan'ny "Diarin'ilay NEET niasa ampitan-dranomasina" (bolongana malaza mitsikera ny fomba fiasa Japoney).
Shily : #paronacional (Fitokonana Faobe) vs. #yonoparo (Izaho Tsy Mitokona)
Ny Workers' United Center (CUT) dia niantso fitokonana faobe ny 24 sy 25 Aogositra 2011, ho karazana fanoherana ny tsy fitoviana ara-sosialy sy ara-toekarena ao Shily. Mbola tsy azo antoka hoe nahomby na tsia ny fitakiana, saingy fara-fahakeliny ny fanehoan-kevitr'ireo mpampiasa ny Twitter mpomba sy tsy mpankasitraka ity karazana hetsi-panoherana...
Guinea : Ny Adin'i Nadine Bari Ho Fampihenana Ny Fahantrana ao Guinea
Nadine Bari dia Frantsay iray nanangana fikambanana iray ho an'ny mpiara-belona isan'ny tranainy indrindra tao Guinea, Guinée-Solidarité na Firaisankinan'i Guinée. Tamin'ny alalan'ny fanampiana avy any Eropa dia nahavita namatsy fitaovana ireo sekoly, hopitaly, sy nanampy ireo tsy manan-kialofana, kamboty ary koa zaza manan-kilema mba hahazo fanabeazana.
Nizeria: Misaritaka, Miandry Ny Fahatongavanà Vehivavy Iray?
Ngozi Okonjo-Iweala (NOI), Minisitry ny Fitantanam-bola vaovao sy Minisitra Misahana ny Toe-karena. Vao haingana kely i NOI no tale jeneralin'i Banky Iraisam-pirenena. Raha vao nanomboka nikotaba ny haino aman-jery mikasika an'io fanendrena azy io, dia tsy nitsahatra niresaka momba an'io vehivavy manam-pahefana ambony indrindra tao amin'ny kabinetran'ny filoha Goodluck Jonathan...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...