Voarohirohy tamina resaka kolikoly ny Lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana ny Filoham-pirenen'i Azerbaijana

Sary an'i Arzu Geybullayeva

Navoaka voalohany teo amin'ny Media Abzas ity lahatsoratra ity. Ampahany iray nokiraina no navoaka indray eto eo ambany fiarahamiasa fifanarahana mifampizara votoaty.

Dimy taona taorian'ny tokony ho nisokafany dia nisokatra ihany nony farany ilay trano Hotely InterContinental ao Baku tamin'ny taona 2021. Nanatrika ny lanonana fanokafana ilay hotely ny Filoha Ilham Aliyev sy ny Filoha lefitra voalohany, Mehriban Aliyeva. Roa taona taty aoriana, Abzas Media, tao anaty fanadihadiana nataony dia nijery izay tompon'ilay hotely ary koa ny tantaran'ny tany nanorenana ilay hotely.

Ny tantaran'ny tany izay nanorenana ilay hotely kintana dimy amin'izao fotoana izao dia nanomboka tamin'ny taona 1950. Tamin'izany fotoana izany, hotely iray hafa atao hoe “Janub” no teo amin'ilay tany. Teo anelanelan'ny taona 1950 sy 1998 dia an'ny Fanjakana ilay trano. Tamin'ny taona 1998 dia lasa orinasa nanana petrabola nisokatra izy.

Nanjavozavo ny tantara tany akaikin'ny taona 2012. Tamin'izay fotoana izay, niomana ny hampiantrano ilay fifaninanan-kira fanao isan-taona Eurovision i Azerbaijana. Tamin'io taona io, nanapa-kevitra ireo manampahefana ny handrava ilay tranobe taloha ary hosoloina fanorenana vaovao hahafahana mampiantrano ireo vahiny ho asaina amin'ilay fifaninanana. Tsy nisy anefa izany. Noraiketina ho tamin'ny taona 2016 ny vinavina ho fanokafana manaraka, ny alin'ny hazakazaka fanokafana ny Formule 1 tany Bakou. Dia mbola tsy nisy velively ihany koa.

Avy eo, tamin'ny Septambra 2014, nandritra ny fivoriamben'ireo mpiara-miombona antoka, ny tompon'ny ankamaroan'ny petra-bola, orinasa iray atao hoe AZ-ORS dia nanambara fa tsy ampy intsony ny vola ao anatin'ny tetibolan'ny orinasa iraisan'izy ireo amin'ny fanaovana ny tany ho tsy malaleo-tena amin'ny anaran'ilay orinasa iombonana ka nahatonga an-dry zareo niditra tamin'ny fanoratana ho an'olontsotra ireo tany natao tamin'ny anaran'nilay orinasa ampiasàna petra-bola. Neken'ireo vitsy an'isa nanana petra-bola kely ny fanomezana ho an'olontsotra ireo tany. Nitentina antsasa-tapitrisa Manat Azerbaijani ny vidin'ilay tany tamin'izany fotoana izany. Na izany aza anefa, rehefa natao lavanty imasom-bahoaka ilay tany dia niniana nafenina tsotra izao ny antsipirihany momba ny toerana misy ilay tany sy ny habeny.

Fantatr'ireo tompona petrabola vitsy an'isa fa misy zavatra tsy nety tao. Ary ny antony nanesorana ny adiresy  sy ny haben'ilay tany dia natao manokana mba hampihenana ny vidin'ny tany nandritra ny fanaovana lavanty azy. Rehefa nanao fanadihadiana an'ity tantara ity, ny Abzas Media dia nahazo dika elektronika tamin'ny filazana an'ilay lavanty ampahibemaso, izay nahafahan'izy ireo nahita ny adiresy sy ny haben'ilay tany – mifanaraka amin'ilay hotely Janub teo aloha – ary koa ny vidin'izany izay nahalafosana azy farany tamin'ny 9 Desambra 2014. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa namidy in-340 heny latsaka noho ny tokony ho vidiny eo amin'ny tsena ilay tany.

Na tsy nisy aza ny vaovao azo mikasika ilay mpandresy tamin'ny tolobidy tamin'izany fotoana izany, dia tsy sarotra ny naminany azy. Tamin'ireo 99 isan-jaton'ireo petrabola, ny AZ-ORS no mazava fa tena mpisitraka nahazo tombony be indrindra. Ny AZ-ORS no tompon'ny tany sy ilay hotely vaovao amin'izao fotoana izao. Vehivavy iray antsoina hoe Naze Shahverdiyeva no tompon'ny orinasa. Anabavin'i Beyler Ayyubov, lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana ny Filoha i Shahverdiyeva.

Ny haren'i Shaverdiyeva

Tsy mijanona amin'ny Hotely InterContinental ihany ny haren'i Shahverdiyeva. Miasa ihany koa izy ho solotena eo anatrehan'ny lalàna amin'ireo orinasa roa hafa farafahakeliny araka ny fandraketana ireo orinasam-barotra – “Naida-S” sy “Karamli Village Farm” LLC. Tompon'ny vondrona Hotely Resant ihany koa izy, izay ahitana trano fandraisam-bahiny 35 sy trano fisakafoanana ary tanàna hafa manerana an'i Azerbaijana.

Tsy nahomby ny fikasan'ny Abzas Media hiresaka mivantana tamin'i Shahverdiyeva na dia nilaza tamin'ny haino aman-jery aza ny mpiasa iray tamin'ny vondrona Resant fa afaka miresaka mivantana amin'i Shahverdiyeva ry zareo.

Nandritra ny taona maro dia nisy ireo ampamoaka hafa natao momba ny fianakaviamben'ny mpitondra sy ny harena mampiahiahy an'ireo tompon'andraikitra hafa manana fifandraisana amin'ny fanjakana, momba ny orinasan-dry zareo izay mampidi-bola be ao an-toerana sy any ivelany, ary mikasika ny fidadasiky ny kolikoly ao amin'ny firenena. Voabedibedy tamin'ny asany ireo mpanao gazety ao an-toerana namokatra ireny fanadihadiana ireny. Roa volana taorian'ny namoahana ity fanadihadiana ity dia nosamborina ny talen'ny Abzas Media, Ulvi Hasanli, sy i Sevinc Vagifgiz tonian'ilay sehatra filazambaovao, niainga avy tamina fanamboarana fiampangana ho nanao fanondranana entana an-tsokosoko ary nomena ny sazy famonjàna vonjimaika lava indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.