Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Marsa, 2011
Arabia Saodita: Nampanantena Volabe Ny Saodiana Ny Mpanjaka
Volabe no nampanantenaina ny Soadiana androany (18 Martsa 2011), taorian'ny teny nataon'ny Mpanjaka Abdulla ho an'ny firenena. Tanatinà teny fohy, ilay Mpanompon'ireo Trano Masina Fivavahana roa dia nisaotra ireo mpisorona, ny mpanoratra ary ny Ministeran'ny Atitany noho ny ezaka nataon'izy ireo hiarovana ny fanjakana. Filazàna sy didim-panjakana avy eo no nanaraka fa hoe volabe an-davitrisa no hatondraka ho an'ny Saodiana.
Arabia Saodita: Inona no tadiavin'ny vahoaka?
Raha nameno ny faritra ny fihetsiketsehana, dia nampiaka-peo koa ny Saodiana. Efa nivezivezy ny fanangonan-tsonia omena ny Mpanjaka Abdulla, misy ny fangatahana mikatsaka ny fanovana politika maro. Ny fangatahana, nomena anarana hoe...
Libanona: Fihetsiketsehana manohitra ny rafitra mifototra amin'ny sekta
Mihoatra ny 2500 ny Libaney nanao diabe tamin'ny alahady (27 Febroary 2011) tao an-drenivohitra Beirut manohitra ny rafitra miankina amin'ny sekta izay heverin'izy ireo ho fototry ny olana ao amin'io firenena io. Ato no hahitantsika hoe tahaka ny ahoana ny fihetseham-pon'ny Libaney an-tserasera. Efa misy koa ny miomana hanao fihetsiketsehana ny 5 Marsa.
Aostralia: Fanao “Tea Party” ho fanoherana ny hetran'ny karbôna
Raha mpanoro lalana ny tontolombolongana Oz, dia ny fitsapa-kevi-bahoaka momba ny hetran'ny toetr'andro no fifidianana federaly manaraka ao Aostralia. Nanjary resaka nahatezitra sy famelezana olo-tokana ny niafarany. Nizaka maraina mangotraka...