Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Febroary, 2015
Tolo-dalàna Rosiana Handraràna Ny Vehivavy Latsaky Ny 40 Taona Tsy Hifoka Sigara
“Ny vehivavy mifoka sigara,” hoy ny naoty fanazavana miaraka amin'ilay tolodalàna, “dia manimba ny fanànana anaka, hiteraka fahasimbana tsy azo tsaboina amin'ny tahirin-tarazon'ny firenena.”
Ny Azon'ny 1 Dolara Anananao Ao Kiev
Inona no azo vidiana amin'ny iray dolara ao Kiev? Zavatra vitsivitsy monja, raha ny marina! Nangonin'ny olona iray mavitrika mpampiasa media sosialy ireo hevitra mahaliana kokoa mba ho ao anaty lahatsoratra iray anaty bilaogy .
Mangetaheta Sary Mampihomehy (“Meme”) ? Andramo ny ‘Mofo Anglisy Frantsay’ Japoney
Samy mamokatra ny mofon'izy ireo manokana ny prefektiora Japoney izay sarotra hita any an-kafa. English French Toast (mofo anglisy frantsay nohafanaina) ny anaran'iilay nalaina avy amin'ny English Toast (mofo anglisy nohafanaina) ao Aomori.
Eritreretin'ny Masedoniana Ny Hampiasa Ny Lalànan'ny Fahalalahana Mahazo Hanoherana Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Mpiasa Mahaleotena
Tsy naharay karama ireo mpiasa amin'ny ampaham-potoana sy tsy miankina ny volana Janoary, noho ireo fehezan-dalàna vaovao mikasika ny haba sy ny vola aloa. Te-hampiseho ny tsy fahaiza-miasan'ny mpitàndraharahan'ny governemanta ireo mpanao fihetsiketsehana.
Resahina amin'ny Mpanao Zaridaina ho Vazy Manaja Tontolo Iainana ny Fakom-Boanio
Ahafahana mitahiry hatramin'ny vazy plastika 100 tapitrisa tsy hiafara any amin'ny daba fanariam-pako ny fampiasana vazim-bolom-boanio izay azo ambolena mivantana ao amin'ny zaridaina.
Atsaharo Ny Mozika: Nofoanan'ny Spotify Ny Fivoahany ao Rosia
Nandao an'i Rosia ny Spotify noho ny krizy ara-toekarena, ny toe-draharaha ara-politika ary ny lalàna henjana mifehy ny aterineto.
Tsy Nahafaly Loatra ny Kolombiana Ny Fiakarana Kelin'ny Karama Ambany Indrindra
Nampiakarin'ny governemanta Kolombiana 4,6 isan-jato ho 644 350 pesos Kolombiana ($273) ny karama farany indrindra horaisin'ny amin'ny taona 2015 araka ny nambara tamin'ny 30 Desambra 2014.