Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2008

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Aogositra, 2008

Kiobà: Mendrika izany ve?

Yoani Sanchez no manadihady ny volavolankevitra vaovao hampakarana ny vola fandrain'iny olona efa retirety ary dia naka ohatra mpampianatra iray efa ho tonga amin'izany maharetirety azy izany mba hanehoany ny fiangarana ataon'ny rafitra: “Mba hampiharihary azy, ity vehivavy ity dia mbola hiasa dimy taona fanampiny indray, ka rehefa tonga ny...

Arabia Saodita : Fanandevozana ao amin'ny helodrano Persika

Tapa-bolana lasa izay dia nanao fitokonana sy fenehoan-kery ireo tera-tany Bangladeshy miasa ao Koety noho ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo sy ny faharatsian’ny lalana mifehy ny asany. Taorian’io fitokonana io dia mahery ny 200 ny mpiasa noroahina tamin'ny asany. Ny hevitry ny mpitoraka blaogy Saodiana roa mikasika ny endriky...

Fiji: Mamely mafy ilay “fananganana Fiji tsara kokoa” ireo mpitoraka blaogy

Komity iray najoron'ny governemantan'i Fiji no nandroso vinavina misy teboka 11 ho fanampiny ao amin'ny Lalampanorenan'ity nosy ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika ity sy “hananganana firenena iray tsy misy fanavahana ara-poko, mavitrika sy mivondrona ara-kolotsaina, tsara tantana sy tena democratika ao ”. Ity vinavina misy pejy 75 ity, mitondra ny lohateny...

Libanona: Doro ala sy fiakaran'ny maripàna

Efa an-taonany maro izao no ahitana doro ala isaky ny lohataona amin’ireo hany sisa mba faritra voajanahary Libaney. Ary isan-taona, lalaovina hatrany ny fifanilihana: ireo antoko sy mpanao pôlitika dia mifanilika hatrany ho tsy nisy fiomanana momba izany ary tonga hatrany amin'ny fifampiampangana ho nanao fanahy niniana ny fandorana.Raha izany,...

Cap_Vert:Politika ivelany sy ny zanany am-pielezana

Ao amin’ny blaoginy i Miguel Cruz Sousa [amin’ny teny portige] no mitondra fandalinana momba ny politika ivelan’i Cap Vert sy ny fifandraisan’ny firenena amin’ireo zanany ampielezana. “Ny tsy fananàna asa, ny elanelana ao anaty fiaraha-monina, ny tsy fandriampahalemana, ny karama varimasaka sy ny mety ho tsy fahampiana dia mitatao mandrakariva...

Madagasikara tamin'i Hong Kong:”Avereno ny Emeraodanay”

Lova Rabary-Rakotondravony no nanazava fa nandefa solontena efatra tany Hong Kong hanao izay hamerenana ny emeraoda lehibe indrindra sy mavesatra indrindra fantatra ankehitriny [ nomena anarana hoe Fanomezan'ny Lanitra] ary aranty ao amin'ny Baoqu Tang Modern Art Gallery any Honk Kong ny fitondrana Malagasy. Takian'ny fitondrana Malagasy ho anisan'ny fananam-pirenena...